Fikambanan' ny Firenena Mpanondrana Solitany

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny OPEC

Ny Fikambanan' ny Firenena Mpanondrana Solitany, izay hafohezina amin' ny hoe OPEC amin' ny teny anglisy, na OPEP amin' ny teny frantsay, dia fikambanana iraisam-pirenena, dia misy firenena miisa 13, noforonin' ny firenena vdimy (Iràna, Iràka, Kôety, Arabia Saodita, ary Venezoela) tao Bagdad any Iràka tamin' ny 10-14 Septambra 1960, ary nanomboka tamin' ny taona 1965 dia nisy ny foibeny tao Vienna any Aotrisy, na dia tsy firenena mpikambana ao aza i Aotrisy.

Atao hoe Organization of the Petroleum Exporting Countries (OPEC) izy amin' ny teny anglisy fa Organisation des pays exportateurs de pétrole (OPEP) kosa amin' ny teny frantsay.

Ny firenena mpikambana ao amin' ny OPEC

Ny fananganana ny OPEC dia nanamarika kihon-dalana mankany amin' ny fiandrianam-pirenena amin' ny harena voajanahary, ary ny fanapahan-kevitry ny OPEC dia nandray anjara lehibe teo amin' ny tsenan-tsolika manerantany sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.

Tamin' ny taompolo 1960 sy 1970, ny OPEC dia nahomby tamin' ny fanavaozana ny rafi-pamokarana solitany eran-tany ka amin' izay dia eo am-pelatanan' ny firenena mpamokatra solitany ny fahefana mpanapa-kevitra sy ny ankamaroan' ny tombom-barotra. Nanomboka tamin' ny taona 1980 dia nisy fiantraikany voafetra teo amin' ny tolotra solitany maneran-tany sy ny fahamarinan-toeran' ny vidin-tsolika ny OPEC.

Mety ho mafy ny vokatry ny asan' ny OPEC rehefa miteraka fahatapahana maharitra ny famatsiana solitany ny ady na ny korontana anatiny amin' ny firenena. Tamin' ny taona 1970, ny famerana ny famokarana solitany dia nitarika fiakarana be eo amin' ny vidin-tsolika sy eo amin' ny fidiram-bola ary eo amin' ny harenan' ny OPEC, izay misy vokany maharitra sy nihatra amin' ny toekarena maneran-tany. Tamin' ny taona 1980 dia nanomboka nametraka tanjom-pamokarana (ampahany tokony ho vokarina) ho an' ny firenena mpikambana tsirairay ny OPEC; amin' ny ankapobeny, rehefa mihena ny anjara famokarana dia mitombo ny vidin-tsolika. Nitranga izany vao haingana noho ny fanapahan-kevitry ny fikambanana tamin' ny taona 2008 sy 2016 nisakana ny tolotra be loatra.

Io fikambanana io dia natao handrindra sy hampiray ny pôlitika mikasika ny solitany ao amin' ny firenena mpikambana ao ary natao hahazoana antoka ny tsifiovaovan' ny tsenan-tsolika mba hahazona famatsiana tsy tapaka ho an' ny mpanjifa solitany ary fidiram-bola tsy tapaka ho an' ny mpamokatra ary fiverenana amin' ny ara-drariny amin' ny kapitaly ho an' ny mpampiasa vola amin' ny orinasan-tsolitany.

Tamin' ny volana Septambra 2018, ny firenena 13 mpikambana dia niantoka ny 44 %n' ny famokarana solitany eran-tany ary 81,5 % n' ny tahirin-tsolitany eran' izao tontolo izao, izay nahatonga ity fikambanana ity hisy fiantraikany lehibe amin' ny vidin' ny solitany eran-tany izay nofaritan' ny antsoina hoe "Seven Sisters" ("Mpirahavavy Fito") izay ivondronan' ny orinasan-tsolitany goavana maro.

Araky ny Energy Information Administration (EIA) amerikanina dia manan-danja amin’ ny fiovan' ny vidin-tsolika ny famokarana solitanin' ny firenen' i OPEC. Mametraka tanjom-pamokarana ho an’ ny firenena mpikambany ny OPEC, ary rehefa hakeleziny ny tanjom-pamokarana dia miakatra hatrany ny vidin' ny solitany.

Ny mpahay toekarena dia namaritra ny OPEC ho ohatra fianarana momba ny fikambanan' orinasa izay miara-miasa amin' ny fampihenana ny fifaninanana eo amin' ny tsena, nefa ny fifampidinihany dia arovan' ny foto-pisainanana momba ny fiarovana ny fanjakana eo ambanin' ny lalàna iraisam-pirenena.

Tamin' ny taona 2014 dia firenena mpikambana roa ambin' ny folo no ao amin' ny OPEC: i Aljeria, i Angôla, i Ekoadôra, i Iràna, i Iràka, i Kôeity, i Libia, i Nizerià, i Katara, i Arabia Saodita, ny Emirata Arabo Mitambatra ary i Venezoela.

Ny mpikambana ao amin' ny OPEC amin' izao fotoana izao dia i Alzeria, i Angôla, i Ginea Ekoatôrialy, i Gabôna, Iràna, i Iràka, i Kôety, i Libia, i Nizerià, ny Repoblikan' i Kôngô, i Arabia Saodita, ny Emirata Arabo Mitambatra ary i Venezoela. I Ekoadôra sy i Indônezia ary i Katara dia mpikambana ao amin' ny OPEC taloha.

Sarin-tanin' ny OPEC (manga antitra) sy ny OPEC+ (miampy manga tanora) tamin' ny taona 2016

Vondrona lehibe kokoa antsoina hoe OPEC+ no niforona tamin' ny faramparan' ny taona 2016 mba hifehy bebe kokoa ny tsenan' ny solitany maneran-tany. Ny OPEC+ dia ahitana ny mpikambana ao amin' ny OPEC sy firenena hafa tsy mpikambana ao: i Azerbaijàna, i Bareina, i Broney, i Kazakstàna, i Malezia, i Meksika, i Ômana, i Filipina, i Rosia, i Sodàna Atsimo ary i Sodàna.).

Firenena mpikambana ankehitriny[hanova | hanova ny fango]

Firenena Faritra Lasa mpikambana[1] Isam-ponina
(July 2012)[2]
Velarantany (km²)[3] Vokatra (Barika/andro)
Aljeria Afrika 1969 37 367 226 2 381 740 2 125 000 (faha-16)
 Angola Afrika 2007 18 056 072 1 246 700 1 948 000 (faha-17)
 Ekoadôro Amerika Atsimo (1973) 2007[A 1] 15 223 680 283 560 485 700}} (faha-30)
 Iran Afovoany Atsinanana 1960[A 2] 78 868 711 1 648 000 4 172 000 (faha-4)
 Iraka Afovoany Atsinanana 1960[A 2] 31 129 225 437 072 3 200 000 (faha-7)
 Koety Afovoany Atsinanana 1960[A 2] 2 646 314 17 820 2 494 000 (faha-10)
 Libia Afrika 1962 5 613 380 1 759 540 2 210 000 (faha-15)
 Nijeria Afrika 1971 170 123 740 923 768 2 211 000 (faha-14)
 Katara Afovoany Atsinanana 1961 1 951 591 11 437 1 213 000 (faha-21)
 Arabia Saodita Afovoany Atsinanana 1960[A 2] 26 534 504 2 149 690 8 800 000 (faha-2)
 Emiraty Arabo Mikambana Afovoany Atsinanana 1967 5 314 317 83 600 2 798 000 (faha-8)
 Venezoela Amerika Atsimo 1960[A 2] 28 047 938 912 050 2 472 000 (faha-11)
Isa manontolo 369 368 429 11 854 977 km² 33 327 700 barika/andro

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "OPEC: Member countries". Organization of the Petroleum Exporting Countries. Retrieved 6 October 2012.
  2. "Field Listing – Population". CIA World Factbook. Central Intelligence Agency. Archived from the original on 2018-10-04. Retrieved 4 January 2009.
  3. "Field Listing – Area". CIA World Factbook. Central Intelligence Agency. Archived from the original on 2014-01-31. Retrieved 4 January 2009.

Fanamarihana:[hanova | hanova ny fango]

  1. Ecuador initially joined in 1973 left in 1992 and rejoined in 2007.
  2. 2,0 2,1 2,2 2,3 et 2,4 One of five founder members that attended the first OPEC conference in September 1960.