Azia Atsimo Atsinanana
Ny Azia atsimo atsinanana dia ny faritr'Azia any atsinanan'i India ary any atsimon'i Sina. Ireo firenena izay lazaina fa ao Azia Atsimo Atsinanana dia i Myanmara, Tailandy, Malaizia, Indonezia, Filipina, Vietnam, Laôsa, Brunei Darussalam ary Kambodia. Ao amin'i Azia Atsimo andrefana ihany koa i Singapaoro, na dia tsindrindray izy voasokajy ho firenen'ny Aziatika tatsinanana, noho ny kolontsainy izay voazakazakan'ny kolontsaina sinoa.
Jeografia [hanova]
Ny velarantany manontolon'i Azia Atsimo Atsinanana dia eo amin'ny efatra tapitrisa kilometatra toradroa. Ny isam-poniny dia 593 tapitrisa mponina. Iray ampahaenin'ny mponina ao Azia Atsimo Atsinanana no miaina ao amin'ny nosy Java, any Indonezia, izay nosy manana hakitroky ny mponina avo indrindra eto an-tany.
Sinoa telopolo tapitrisa ihany koa no miaina ao Azia Atsimo Atsinanana, indrindra indrindra any Indonezia, any Malaizia, any Singapaoro ary any Vietnam.