Ambatofisaorana

Avy amin'i Wikipedia

Ambatofisaorana dia vohitry ny Andriamasinavalona (foko merina) hatramin’ ny ela, izay mbola onenan’ ny taranaka. Vohitra miorina ao avaratr’ Isadabe, amin’ ny làlana miala avy eo Talata-Volonondry, mianavaratra mahazo an’ Ambatomanoina mandalo an’ Ambohitrolomahitsy.

Imiantsoarivo[hanova | hanova ny fango]

Imiantsoarivo no anaran’ Ambatofisaorana taloha. Toy izao no ambaran’ ny lovantsofina ka mbola tadidy tsara. Izany andrian-dehibe atao hoe Andrianavalonandrianjaka izany no nanorina azy. Izy io dia zafikelin’ Andriamasinavalona mpanjaka, fa zanaka lahin-dRamatoanimerina (vavimatoan’ ny mpanjaka) nonina tao Mamiomby, atsinanan’ Andringitra; nanana anabavy izy natao hoe Rakaloy; samy naka vohitra natao vodivona izy mianadahy ka Rakaloy dia teo Ikaloy, nitondra ny anarany ary izy kosa teo Imahatsinjo.

Nivavaka, hono, aloha Andrianavalonandrianjaka nitady famantarana nanao hoe: ” E! Andriamanitra Andriananahary, hipetraka amin’ ity tanàna ity aho, ka omeo fambara fa ho maro dia maro ny vahoaka honina eto ! ” Vao tapitra ny teniny dia nisy alika mainty niserana teo alohany. Noraisiny ho valim-paniriany izany ka dia nanao fifaliana nanetriketrika izy, ka nanorina tanàna vaovao, Imiantsoarivo no nataony anarana.

Ambatofisaorana[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ Andrianampoinimerina nampandry tany amin’ iny Mandiavato iny no miantsinanana-avaratra iny, dia niakatra nitaingina ilay vatolampy avobe eo ambony atsinanan’ ny tanàna izy. Be dia be ny fahana sy ny hasina naterin’ ny olona ho azy teo. Faly izy noho ny fitiavan’ ny olona azy. Dia tamin’ izay izy nisaotra ny vahoakan’ Imiantsoarivo ka no nanovany ny anaran’ ny tanàna natao hoe “Ambatofisaorana ”.