Wikipedia:Takelaka/2 2011

Avy amin'i Wikipedia

Indonezia, na repoblikan' Indonesia (amin'ny fiteny indonezianina Republik Indonesia), dia firenena anelanelan-kontinentan' Azia Atsimo Asinanana sy ny Oseania. Ny firenena Indonezianina dia vita tamba-nosy manana nosy miisa 17 500, io no tamba-nosy ngeza indrindra misy eto an-tany. Ny isam-poniny dia misy 240 tapitrisa mahery, firenena faha efatra be mponina indrindra ny Indonezia ary firenena mozilmana voalohany amin'ny isan'ny mpino. Ny Indonezia dia Repoblika Demokratika sy laika (tsy manana finoam-pirenena), ary Jakarta no renivohiny.

Tamin'ny taonjato voalohan'ny erantsika, ny tamba-nosy indonezianina dia faritany ifandraisan'ny fanjakan'ny Azia Atsimo toy India sy ny fanjakana any Azia Atsinanana toy ny Sina. Ny sefon'ny tanàna eo amorontsiraka Indonezianina dia nisafidy nampiasa ny endrika ara-kolontsaina, ara-pinoana sy ara-politika indianina. Hatry ny taonjato faha valo, nikisaka tany amin'ny fanjakan'i Srivijaya, any atsimon'i Sumatra, ny anivon'ny fifandraisan'ny Azia Atsimo sy Atsinanana. Teo Java indray dia nivoatra ny fambolem-bary (noho ny fisian'ny fanjakana sy fianjadiana Srivijaya tsy lavitry ny eo) namela ny fanjakana hanamboatra tsangam-batom-pinoana. Teo ny ganombohan'ny era klasika indonezianina . (tohiny...)