Wikipedia:Takelaka/*/Aljeria

Avy amin'i Wikipedia

Aljeria (fiteny arabo :الجزائر, fiteny tamazight: Dzayer) dia firenena any afrika avaratra, ao amin'ny faritany tenenina hoe Maghreb. Ny renivohiny dia Alger, any avaratr' Aljeria, eo amin'ny amorontsiraka Mediteraneanina. Manam-pivelarana 2 381 741 km² ny Aljeria. Izy ny firenena ngeza indrindra manana amorontsiraka amin'ny ranomasina Mediteranea ary ny Aljeria ny firenena ngeza indrindra any afrika eo aorian'i Sudan. Mizara sisintany miaraka amin'i Tonizia sy Libia izy any atsinanana, miaraka amin'i Mali sy Niger any atsimo, ary miaraka amin'i Maroc sy Maoritania any andrefana.

Mpikambana ny United Nations, ny Vondrona Afrikaina ary ny Ligue des Etats Arabes izy tamin'ny 1962, daty ny fahaleovantenany, hatramin'izao. Niditra tamin'ny fikambanan'ny firenena mamoaka solika (OPEP) izy tamin'ny 1969. Nandray anjara ny Aljeria tamin'ny famoronana ny Vondrona ny Magreba arabo (UMA) tamin'ny 1989.

Ny lalam-panorenana aljerianina dia miteny hoe « ny Islam, ny maha-arabo ary ny maha-amazight » dia anisan'ny « fototry » ny maha-aljerianina ny mponina ary miteny koa ny lalam-panorenana fa ny firenena dia « tanin'ny Islam, ao amin'ny Magreba Be, Mediteraneanina ary afrikanina ». (tohiny...)