Wikipedia:Mpandrindra

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ovay

Inona no atao hoe mpandrindra?

Ny mpandrindra amin'ny ankapobeny dia ireo izay manana fahefana hiaro ny votoatin'ity Wikipedia ity mba hifanaraka tsara amin'ny fitsipika anatiny.

Raha toa ka maniry ny handrindra ianao dia mametraha hafatra eto (jereo ny pejy), jereo tsara ny fampiasan'ny fanangatahana azy alohan'ny mandefa

Rehefa tia hijery ny fanorona momban'ny mpandrindra ianao, jereo Mpandrindra.

Ovay

Admin mop.PNG Lisitry ny mpandrindra

Ovay

Fampiasan'ny fangatahana

Iza no mety ho lany ?

Mety mora lany mpandrindra ny mpikambana :

  • Raha miisa 350 ny fandraisan'anjarany
  • Hita manoratra eto mandritra ny herin-taona (tsy misesy)
  • Olona mahafantatra tsara ny syntaxe wiki

Mora lasa mpandrindra ianao ra feno ireo toetra ireo.

Iza no mety mandatsa-bato ?

Mety mandatsa-bato ny mpikambana :

  • Nanokatra kaonty 7 andro aloha ny latsa-bato.
  • Ra miisa 20 ny fandraisan'anjarany

« Tsy mikaonty ny vatonao (esorin'ny mpandrindra), ra tsy feno ireo toetra ireo. »


  
Vote2 final.png
Ity pejy ity dia pejy natokana ho an'ny latsa-bato.
Mahazo mandatsaka ny vatonao ianao raha mameno ny fepetra
napetraka tany amin'ny pejy renin'ity pejy ity.

JagwarDinika

Miarahaba antsika rehetra,

Ity ny momba ahy voalohany indrindra, Izaho dia mpianatra malagasy mianatra eto Frantsa nandritry ny folo taona. Tonga teto amin'i Wikipedia izaho tamin'ny 2008 anefa tsy dia nahay nanoratra tamin'ny teny malagasy be loatra. Na dia izany aza dia niezaka aho hanoratra tsara ny teny malagasy. Roa taona taty aoriana, efa mahafehy eo ho eo ihany ny fanoratana amin'ny teny malagasy aho, ka nanomboka nampiasa mpikambana rôbô hanoratana lahatsoratra ary nampiasa izay rôbô izay any amin'i Wikibolana, tetikaan-drakibolana hafa azon'ny tsirairay andraisana anjara. Tsy nisy olona mpandray anjara mavitrika tany amin'ilay rakibolana ka lasa aho nampirimpirina ary nanisy votoatiny tany. Mba hahamora ny asa kojakoja, dia nomena ny zon'ny mpandrindra aho, ary nanomboka nandray anjara tamin'ny alalan'ny tanana aloha tamin'ny voalohany, dia aveo tamin'ny alalan'ny rôbô izay efa nanao fanovana mahery ny fito tapitrisa amin'izao fotoana anoratako izao.

Eto amin'i Wikipedia indray, dia tsy misy mpikambana mavitrika eto amin'ny Wikipedia amin'ny teny malagasy amin'izao fotoana, ka mangataka ho lasa mpandrindran'ity wikipedia ity izaho. Ny antony hangatahako ny zon'ny mpandrindra dia ny tenako manam-potoana hikarakara ity wiki ity, ary indrindra indrindra, manadio ny lahatsoratra ary ny votoatiny, izay ho vita tsaratsara kokoa raha manana ny fitaovan'ny mpandrindra. Ankoatran'ny "asa fikojakojana" ny wiki moa dia misy antony faharoa : efa ho roa taona mahery izay ny mpandrindra manana zo maharitra no tsy mandray anjara eto intsony; tsy fantatro izy ireo raha mbola tonga mijery eto, fa ny hitako dia izy ireo tsy mandray anjara eto amin'ity wiki ity intsony, na dia manitsy ny hadisoan-tsipelina aza. Heveriko arak'izany fa tsy manana mpandrindra intsony ny Wikipedia malagasy.

Na dia vitsy aza ny mpandray anjara, be dia be ny asa kojakoja tokony hatao, nohon'ny spam indrindra indrindra, ary koa noho ireo asa kojakoja ary ireo asa fanovana ny pejy voaaro (toa ny pejy fandraisana ary ny pejy misy ny endrika vangovango) sy ny asa fanakanana mpikambana mpanao spam. Efa efa-taona mahery koa izaho no mandray anjara eto, ary noho izany efa mahafehy tsara ny fitaovana Mediawiki ary efa mahalala tsara ny fepetra tokony hajaina eto amin'i Wikipedia.

Ary na dia kely aza ny fotoana ananako eto am-pelan-tanana, mbola manam-potoana hanaovana ny asa fandraisan'anjara ary ny asa kojakoja ihany izaho, ka afaka mampiasa ny fitaovan'ny mpandrindra araky ny hataky ny fikambanana.

Jagwargrr... mailaka 6 Oktobra 2012 à 21:11 (UTC)

Fanapahan-kevitra/Fandrosoana

  • (Septambra 2010) Fahazoana zo tsy maharitra.
  • (6 Oktobra 2012) Fangatahana ny zo tsy maharitra any amin'i Meta.

Manohana

  1. ...

Manohitra

  1. ...

Fitsipika mikasika ny famoanana ny satam-pandrindra

Noho ny tsifisian'ny fitsipika ho an'ity Wiki ity dia mihatra ny fitsipika ankaponbe. Izany hoe hahazo filazana avy any amin'ny mpiambona (steward) izay mpandrindra tsy nanao inona na inona (na fanovana na fampiasana ny fitaovana manokana) nandritry ny roa taona, ka raha tsy eken'ny fikambanana ny fitazomany ny zony dia tsy hanana ny zom-pandrindrany intsony izy. Mazava ho azy fa afaka mangataka ho hanana ny zom-pandrindra indray izy ohatra ny mpikambana rehetra mameno ny fepetra.

Aogositra 2014

Ireo ny mpandrindra tsy nanao inona na inona nandritry ny roa taona :

Fangatahana ny hanitatra ny zo

Ny mpandrindra tsirairay dia afaka mangataka ny fikambanana mikasika ny fanitarana ny zony. Afaka mamoa-kevitra ny mpikambana mikasika ny fangatahana tsiairay. Rehefa misy marimaritra iraisana dia ho apetraka any amin'ny m:Stewards' noticeboard ny rohy manketo amin'ity pejy ity mba hampiharana ny fanapahan-kevitry ny fikambanana (famoanana na fitazomana ny zom-pandrindran'ny mpandrindra voakasika)

Politique pour la révocation du statut d'administrateur

A défaut de politique spécifique pour ce wiki, la politique générale s'applique. En résumé, elle dit qu'un admin qui n'a réalisé aucune action (aucune édition ni aucune autre action spécifique à un admin) pendant deux ans est averti par un steward, puis si la communauté ne demande pas à prolonger ses droits, alors il les perd. Il peut bien sûr demander de nouveau à la communauté de lui attribuer ces droits par la suite.

Août 2014

Les administrateurs suivants n'ont pas effectué d'action depuis deux ans :

Demande de prolongation des droits

Chaque administrateur peut demander à la communauté si elle veut bien lui accorder une prolongation de ses droits. Les membres de la communauté peuvent ajouter leurs commentaires à la suite de chaque demande.

Lorsqu'un consensus est atteint, un lien vers la présente page devrait être posté sur m:Stewards' noticeboard pour faire appliquer la décision de la communauté (révocation ou conservation des droits des administrateurs concernés).

  • Je propose à la communauté que mes droits d'admin soient prolongés, afin qu'il ne reste pas un seul admin en titre -- AlNo (resaho) 26 Aogositra 2014 à 12:48 (UTC)
    • insérez votre commentaire ici