Wikipedia:Miaraha miasa/2010

Avy amin'i Wikipedia
Janoary-Febroary –Martsa-Aprily
  • Ilaina fenoina ny lahatsoratra vangovango eto amin'ity wiki ity. Raha tsy mahita vangovango hofenoina ianao, na tsy manana fotoana amoronana na mameno vangovango iray. Dia ampiasao ny rohy « handefa takelaka » eo amin'ny fizarana « fanoroana sy fitsipika » eo ankavia ; apetraho ao ny lahatsoratra tianao hoforonina, dia izahay no mikarakara ny sisany.
  • Ilaina jerena ihany koa ny lahatsoratra tsy manan-tsary eto amin'ny wikipedia (tsindrio eo amin'ny rohy « kisendra » im-betsaka ; mbola tsy misy pejy manokana afahana mijery ny lahatsoratra tsy misy sary) ; ka inona hoy anareo ny raki-pahalalàna tsy misy sary izany ? Araka ny statistika afaka jerena eto, mihakely arakaraky ny fandrosoan'ny taona ny isan'ny sary misy eto amin'ny wikipedia malagasy... Ho an'ny sary ho apetraka, afaka mijery ny sary efa misy any amin'ny wikimedia commons (banky angon-tsary sy fametrahan-drakitra iraisan'ny raki-pahalalàna rehetra) ianao ,fa mila apetraka amin'ny fiteny anglisy ny fikarohanao, na, raha tsy misy ilay sary notadiavinao tany amin'ny wikimedia Commons, mampidira sary iray amin'ny alalan'ity rohy ity.


Mey–Jiona
  • Ilaintsika fenoina ny lahatsoratra mbola tsy ampy ao amin'ny tetikasa kanji. Mbola misy eo amin'ny 800 eo ho eo ny isan'ny lahatsoratra tokony hoforonina eto amin'ny wikipedia malagasy. Misy patron manokana natao ho an'ny famoronana kanji eto. Apetraho eto ny hafatrao raha vonona handray anjara ianao. Misy ihany koa ny lahatsoratra tokony hosoratana na tokony itarina na tokony avaozina. Ao amin'ny lahatsoratra tokony itarina. Misy ny momban'ny Expo 2010 any Shanghai, ny Pandemia gripa A(H1N1), ny Hefaka sy lahatsoratra hafa madinidinika voalisitra ao amin'ny lisitry ny vangovango.
  • Ny lahatsoratra sasany koa dia tokony jerena raha misy teny diso tsipelina, raha te-hahita ny teny diso tsipelina ianao, dia jereo eo amin'ny http://dotmg.net/spell/check, azonao ampidirina ao ny votoatin-dahatsoratra ary mijery ny teny diso tsipelina ary manitsy azy raha afaka.