Pandemia gripa A(H1N1)

Avy amin'i Wikipedia

Ny gripa A (H1N1) ny 2009 dia aretin-aina mora mifindra entin'ny otrikaretina gripa A amin'ny karazana H1N1 ao amin'ny zana-karazana A AH1N1 an'ny gripa tsotra. Niseho tamin'ny 2009 io virus io ary mifindra amin'ny olombelona. Ny epidemia gripaly vokatr'io fiovana io dia efa manerana ny tany tamin'ny volana nanaraka ary lazain'ny OMS fa pandemia izy io tamin'ny Jiona 2009. Io otrikaretina gripa io dia manana ny fototarazon'ny kisoa, ny vorona ary ny olombelona dia virus

Araka ny WHO, sasana matetika ny tanana mba tsy hamindra sy tsy hofindrain'ny gripa sy ny aretina vokatry ny otrikaretina sy ny mikrôba

Ny otrikaretin'ny gripa dia aparitaky ny koaka, ny evina, sy ny piti-drora anatin'ny roa metatra (arakaraky ny fampidiran-drivotra), na rehefa mikitika voho misy ilay otrikaretina (velona mandritry ny 8-48 ora izy amin'ny rivotra tsotra arakaraky ny voho isiany). Ny marika fanombohan'ny aretina dia mety maharitra herinandro iray manontolo, ary mitovy amin'ny gripa tsotra ny fisehon'ilay gripa : mafana hoditra, marary tenda, mikoaka, marary an-doha, krampy. Amin'ny ankapobeny, atao ara-pamantarana ny fitsabona azy, ny fanafody hoanina dia parecetamol ho an'ny famantarana gripaly. Ho an'ny tranga sarotsarotiny, ampiasaina ny antiviraly, ny inhibiteur an'ny neuraminidase toy ny oseltamivir na ny zanamivir. Efa misy ny vakisiny, ary vakisiny no torohevitra omen'ny mpampitandrina.

Amin'ny lafin' izao tontolo izao, kely ny maty (6000 no maty tamin'ny tapan'ny Novambra ary 2 à 3 ‰ ny marary manana tranga sarotsarotiny, mitovitovy amin'ny gripa tsotra ihany : amin'ny ankabeazan'ny tranga, kely sady mora sitranina ny famantarana ary sitrana haingana sady tanteraka ny marary, n mahasamihafa ny gripan-kisoa amin'ny gripa tsotra dia mora matin'ny gripan-kisoa kokoa ny bevohoka sy ny olo-matavy.

Saritany maneho ny firenena efa nisy olona matin'ny gripa A (miloko mainty) sy firenena misy olona voan'ny gripa A (miloko mena)


Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Miteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

http://www2a.cdc.gov/podcasts/player.asp?f=11226 Archived Aprily 28, 2009 at the Wayback Machine

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.