Seranan-tsambon' Ehoala

Avy amin'i Wikipedia
Seranan-tsambon' Ehoala

Ny Seranan-tsambon' Ehoala dia seranan-tsambo malagasy ao amin' ny Kaomininan' i Tôlagnaro ao amin' ny Faritra Anosy izay 10 km ao atsimo-andrefan' ny tanan' i Tôlagnaro (na Fort-Dauphin). Any ivelan' ny tanàna manakaiky ny seranam-piaramanidin' i Tôlagnaro no nanorenana azy ary nanomboka ny fampiasana azy tamin' ny 8 Jolay 2009. Ny orinasa Rio Tinto no namatsy vola be indrindra tamin' ny fanamboarana azy[1] satria nila seranan-tsambo an-drano lalina ity Rio Tinto ity mba hanondranany ny ilmenita izay trandrahan' ny QIT Madagascar Minerals (QMM) eo akaikin' io seranana io (fitrandrahana ilmenita ao Mandena). Ny Rio Tinto no tompon' ny 80 % n' ny vokatra azo raha 20 % ny an' ny firenena malagasy.

Tsy miankina amin' ny fanjakana malagasy ny fitantanana io seranan-tsambo io fa sahanin' ny Port d'Ehoala SA, izay rantsan' ny Rio Tinto. Ampiasaina amin' ny fifamoivoizana an-danomasina eto Madagasikara sy iraisam-pirenena io seranan-tsambo io sady misy ny fadintseranana. Heverina hanala ny fitokana-monin' ny tapany atsimon' i Madagasikara izay sarotra itsofohana amin' ny lalana an-tanety ny fisian' io seranan-tsambo io. Nanomboka tamin' ny volana Jolay 2009 hatramin' ny volana Jolay 2015 dia nisy sambo 646 izay nitody teo ka mpitondra entana anaty kôntenera ny 192 tamin' izany, mpitondra harena an-kibon' ny tany ny 73 ary sambo lehibe mpitondra mpizaha tany ny 37.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "Le port d'Ehoala fonctionnel", La Tribune de Madagascar 10 juillet 2009.