Taolagnaro

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny tanànan'i Taolagnaro
Valan-javaboaharin' Andohahela

Taolagnaro, na Tôlanaro, Fort-Dauphin, Faradofay — dia tanàna renivohitry ny faritra Anosy any atsimon'i Madagasikara. 1 122 km any atsimon' Antananarivo no misy azy. Manana toeram-pitsangantsanganana maro sady tsara.

Jeografia sy toe-tany[hanova | modifier le wikitexte]

Ny latsak'orana any Taolagnaro dia misy 1 700 mm eo ho eo, noho ny tendrombohitra manakana ny rivotra mandro any andrefan'ilay tanàna. Noho izany, maintsomaintso kokoa nohon'ny faritra manodidina ny faritanin'i Taolagnaro.

Ny salan-kafanana any dia 23°C ary miakatra hatrany amin'ny 26°C na midina hatrany amin'ny 20°C arakaraky ny volana. Ny Pic Saint Louis no tendrombohitra avo indrindra ao Taolagnaro, ary any avaratry ny ny tanàna no misy azy.

Mponina sy demôgrafia[hanova | modifier le wikitexte]

Ny faritan'ny Taolagnaro dia ipetrahan'ny foko Antanosy Tamin'ny fanisana tamin'ny 1975, 19 605 ny isam-ponina tao Taolagnaro. 30 690 ny isany tamin'ny 1993 ary 39 000 tamin'ny 2001. 46 000 izao ny isam-ponina ao Taolagnaro.

Jereo koa[hanova | modifier le wikitexte]

Rohy ivelany[hanova | modifier le wikitexte]