Repoblika islamika

Avy amin'i Wikipedia
Tontolo Silamo

Ny repoblika islamika dia firenena misy lalàm-panorenana izay mametraka fa ny finoana silamo no fivavahana ôfisialin' ny fanjakana, na firenena hafa izay ampiharana ny didy aman-dalàna mozilmana ary ahitana ny anarana hoe Repoblika Islamika ny anarany ôfisialy.

Ny firenena mozilmana sasany dia tsy milaza fa fanjakana islamika ny fanjakana ao aminy, nefa mampihatra ny lalàna Sharia. Ny firenena mozilmana hafa indray dia mampiasa azy io ho fanondroana araka ny lalàna fotsiny ihany. Farany, ny firenena mozilmana sasany dia milaza manokana ny maha islamika ny fanjakana ao aminy sy ny fivavahany ary ny lalànany. Avy eo izy ireo dia mahafeno fepetra hantsoina hoe Fanjakana Islamika. Ny Repoblika Islamika dia ampahany amin' ny Fanjakana Islamika manana lalàm-panorenana izay mametraka ny finoana silamo ho fivavaham-panjakana na fivavaham-pirenena (fivavahan' ny vahoaka).

Ankehitriny[hanova | hanova ny fango]

Ny repoblika isklamika anehitriny

Amin' izao fotoana izao dia misy fanjakana islamika efatra ekena iraisam-pirenena ho repoblika, ka ny telo amin' izy ireo dia mifehy tokoa ny fizaràn-taniny avy:

Ireo teôkrasia islamika ireo dia afaka manamafy amin' ny alalan' ny lalàna ny fampiharana feno ny Sharia (lalàna islamika), amin' ny fiheverana azy ho ambony noho ny lalàn' olombelona hafa. Ny repoblika islamika hafa, izay mametraka ny lalàna islamika eo ambany fanaraha-mason' ny lalàmpanorenany, dia mampihatra ny lalàna Sharia amin' ny ampahany ihany izay miovaova arakaraka ny firenena voakasika sy ny tantarany taloha.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny repoblika islamika tsirairay dia manana tantara sy ny anjara hoaviny manokana. Ny sasany dia teraka ho azy tany amin' ny firenena mozilmana milamina, ny sasany kosa niseho taorian' ny zava-nitranga mampalahelo. Nanjavona haingana ny repoblika islamika sasany, ny sasany kosa naharitra am-polo taona maro; hatramin' ny androntsika. Amin' ireo repoblika islamika ireo dia azo lazaina ireto ohatra ara-tantara ireto:

I Torkestàna: teo anelanelan' ny taona 1933 sy 1934, ny Repoblika voalohan' i Torkestàna Atsinanana, izay naongana haingana ny miaramila sinoa, dia nantsoina hoe Repoblika Islamikan' i Torkestàna Atsinanana.

I Pakistàna: tamin' ny taona 1973, sy taorian' ny nandraisana ny lalàmpanorenana fahatelo (taorian' ny an' ny taona 1956 sy 1962), ny repoblika federaly vaovao dia nantsoina hoe Repoblika Islamikan' i Pakistàna (lalàmpanorenan' ny taona 1973 ankehitriny, nasiam-panitsiana tamin' ny taona 2012). Io no firenena voalohany lasa repoblika islamika eran-tany (tamin' ny taona 1956).

I Kômôro: noforonina tamin' ny taona 1978 ny Repoblika Islamika Federalin' i Kômôro izay naongana ny tamin' ny taona 2001. Tamin' ny 23 Desambra 2001, teo ambany fitarihan' ny fitondran' ny filoham-pirenena vaovao, ity tanin' ny silamo sonita ity (98 %), izay ahitana ny nosy Ngazija sy Ndzwani ary Mwali, dia lasa Firaisan' i Kômôro.

I Iràna: tamin' ny taona 1979, ary taorian' ny nanonganan' ny Revôlisiôna Iraniana ny shah an' i Iràna, dia lasa Repoblika Islamikan' i Iràna io fanjakà-mpanjaka teo aloha io (lalàmpanorenan' ny taona 1979 ankehitriny, nasiam-panitsiana tamin' ny taona 1989).

I Maoritania: tamin' ny 20 Jolay 1991, ary taorian' ny fizorana indray mankany amin' ny demôkrasia, dia nekena ny lalàmpanorenan' ny Repoblika Islamikan' i Maoritania (lalàmpanorenan' ny 1991 ankehitriny, nasiam-panitsiana tamin' ny taona 2006).

I Afganistàna: tamin' ny taona 1992, tamin' ny fianjeran' ny fitondrana kôminista (fialan' ny tafika sôvietika), ny Fanjakana Islamikan' i Afganistàna dia nisolo ny Repoblika Demôkratikan' i Afganistàna tamin' ny taona 1990. Tamin' ny taona 1996 dia nanangana ny Emirata Islamikan' i Afganistàna ny Talibana. Tamin' ny taona 2004, taorian' ny fidirana an-tsehatry ny miaramilan' i Etazonia sy ny fianjeran' ny Talibana, dia lasa Repoblika Islamikan' i Afganistàna ilay firenena. Ny Emirata Islamikan' i Afganistàna dia naorina indray tamin' ny volana Aogositra 2021, taorian' ny fanafihan' ny Talibana izay nanomboka taorian' ny fanambaràna ny fialan' ny tafika amerikana tamin' ny adin' i Afganistàna.

I Gambia: fanambaran' i Yahya Jammeh tamin' ny 13 Desambra 2015 izay nanapa-kevitra fa lasa fanjakana islamika ny fireneny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]