Propithecus perrieri

Avy amin'i Wikipedia
Propithecus perrieri
Faritra misy ny Propithecus perrieri

Ny Propithecus perrieri dia karazana sifaka any amin' ny ala maina trôpikaly any avaratr' i Madagasikara, izay monina amin' ny faritra voafetra miompana amin' ny tangoron-tendrombohitra Analamerana sy Andrafiamena. Iray amin' ny karazana sifaka sivy eto Madagasikara izy.

Ny volo mandrakotra ny vatany, izay matevina sady malandilandy, dia mainty tanteraka, ary toy izany koa ny hoditry ny tarehiny sy ny sofiny tsy misy volo. Mena manopy volom-boasary ny masony. Mirefy 43 hatramin' ny 47 sm ny halavan' ny vatany, ny rambony 42 hatramin' ny 45 sm, ary 4,3 hatramin' ny 5 kg ny lanjany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]