Maky

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Maky

Ny maky na amboanala (Lemuridae) dia biby amin' ny laharan' ny primates tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Misy eo ho eo amin' ny sivifolo ny karazana amboanala.[1]

Ohatra[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny anarana anondroana ny karazana amboanala na maky amin' ny teny malagasy: ahay, iay, alokoteha, ampongy, ankomba, ankombajoby, ankombamalandy, ankombamena, ankombavaliha, apongy, avahy, babakoto bandro, barimaso, beharavoaka, bekola, boenga, boengy, bokombolo mena, bokombolo, dadintsifaky, dredrika, endrina, fitiliky, fitily, fotsifaka, fotsife, gidro, hahay, haihay, halo, hataka, hira, kelibeohy, kintrontro, kofy, koitsiky, komba, kotrika, mahiabeala, matavirambo, pondiky, repahaka, sadabe, sadasada, setohy, siba, sifaka, sifakabilany, simpona, simpony, soamiera, songiky, tanta, tantaraolana, tantaraolona, tilitilivaha, titilivaha, tongona, trangalavaka, tsarafangitra, tsiba, tsibahaka, tsidiala, tsidihy, tsidy be, tsidy kely, tsidy, tsinjoarivo, tsitsidy, tsitsihy, vakiandry, vakivoho, vangavanga, varibolo, varibolomena, varika, varikamavo, varikandana, varikandra, varikandrana, varikosy, varimena, variñena, vary[2] [3].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. New York Times - A Teenager Stole a Lemur From a Zoo, and Almost Got Away With It
  2. "Maky Archived Mey 17, 2023 at the Wayback Machine", ao amin' ny Rakibolana sy rakipahalalana malagasy.
  3. "Amboanala" ao amin' ny Rakibolana sy rakipahalalana malagasy.