Manangareza

Avy amin'i Wikipedia

I Manangareaza na Manareza dia renirano kely mikoriana any atsimon' ny tanànan' i Toamasina izay mivarina any amin' ny Ranomasimbe Indiana.

Toerana misy azy[hanova | hanova ny fango]

Mikoriana any atsimon' ny tanànan' i Toamasina, ao atsimo-andrefan' ny fokontany Androranga sy atsimon’ ny fokontany Tanamborozano Andrefana, i Manangareaza na Manareza. Mitondra ny an' io renirano io ny fokontany andalovan’ ny lohan' ilay renirano. Maka ny loharanony avy amin' ny ony Ivondro i Manangareza ary mizara ho lakandrano madinika mamakivaky tanàna alohan' ny hivarinany any amin' ny Ranomasimbe Indiana.

Kolontsaina[hanova | hanova ny fango]

Na dia tsy misy lanjany firy aza ity renirano ity dia tafiditra amin' ny fomba fiteny hoe "Ao ambadik’ i Manangareza" na "Ao ambadik’ i Manareza", izay midika fa misy raharaha efa voalamina izay tsy azo iverenana intsony. Izany dia mampahatsiahy ny nanaovan-dRadama I sy i Jean René (ampanjakamenan' i Toamasina) fihavanana teo akaikin' i Manangareza ka naha lasa mpirahalahy azy ireo fa tsy niady.

Ao koa ilay ohabolana malaza manao hoe: "Nisotro ny ranon' i Manangareza" izay tononina mba hilazana ny fahamaninana manery ny vahiny nandao an' i Madagasikara na nandao an' i Toamasina mba hiverina indray. Izany koa dia ilazana ny olona mpila ravinahitra any Toamasina ka nahita vady tany ka tsy te hody intsony na nody nefa manembona te hiverina.

Azo anovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]