Kerala

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny faritanin'i Kerala any India (miloko mena)

Ny Kerala (malayalam : കേരളം Kēraḷaṁ) dia faritany mizaka tena any atsimon'i India. Any atsimo andrefan'i India ny misy azy. Manana tenim-pirenena iray manendrika azy ny Kerala ; ilay tenim-pirenenany dia fiteny malayalam ; amin'ny fianankavian'ny fiteny diravidianina io fiteny io. Ny renivohitr'i Kerala dia Thiruvananthapuram

Tsy dia manam-pivelarana be ny Kerala, fa ngeza be ny hakitrony. Ny Kerala no IDH ambony indrindra any India. Kanefa betsaka ny mpisotro toaka ny ny mamono tena.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Efa nanao varotra tamin'ny Kerala ny Romana tamin'ny andro taloha. Nisy ny fitiavam-paritany fiteny tamin'ny malayalam nisaraka tamin'ny fiteny tamily.

Mba hanala ny fanjakan'ny silamo amin'ny fivarotana episy (épice) ny anton'ny Vasco de Gama nande tany Kerala tamin'ny 1498. Nasainy namboarina ny rova portogesy voalohany voalohany indrindra tany India tany Cochin (Kochi) tamin'ny 1503. Tonga vetivetika teo aoriana teo ny holandey, ary noroahan'ny avy teo ny portogesy tany India.

Tonga tany Kerala ny anglisy amin'ny alalan'ny Compagnie Anglaise des Indes Orientales, ary efa mipetraka tsara any Kerala ny anglisy tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha 17.

Nanandrana haka ny tanin'ny britanika i Tipû Sâhib tamin'ny 1792, fa tsy nande ilay fika.