Kaominina any Frantsa

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' i Frantsa maneho ny kaominina ao aminy.

Ny kaominina any Frantsa dia fizaràn-tany ara-pitantanan-draharaha, ny fizaràm-paritra kely indrindra any Frantsa. Ny lehiben' ny kaominina dia atao hoe ben' ny tanàna (frantsay: maire), satria tanàna iray matetika ny kaominina iray. Ny kaominina dia matetika tanàna na vohitra. Be elanelana ny haben' ny kaominina na amin'ny lafin' ny isam-ponina na amin' ny lafin' ny velarany: ny kaominina mivelatra indrindra izao ohatra dia i Maripasoula (Guyane françcaise) ary ny be mponina indrindra dia ny tanànan' i Paris (izay misy boriborintany miisa roapolo). Misy koa ny kaominina vitsy mponina. Any Frantsa dia ahitana kaominina enina izay lazaina hoe "maty ho an' i Frantsa"[1], tsy ipetrahana mponina intsony, ary manana ben' ny tanàna tendren' ny prefen' ny departemanta. Misy koa ny atao hoe communes déléguées.

Tamin' ny 1 Martsa 2008 dia nisy kaominina 36 783 any Frantsa (212 any ampitan-dranomasina) maka ny totaly eo amin' ny firenena frantsay - afa-tsy i Saint-Barthélemy, i Saint-Martin, i Wallis-et-Futuna sy ny zanatany tsy misy olona (Antarktika frantsay, nosy Clipperton).

Tamin' ny 1 Janoary 2009, nisy kaominina 36 686 any Frantsa [2]. Io isa io (36 783) dia antsasaky ny tontalin' ny kaominina anatin' i Vondrona Eorôpeana[3].

Rafitra sy anjara asa[hanova | hanova ny fango]

Na dia misy fahasamihafana be aza ny isan' ny mponin' ny kaominina frantsay, mitovy daholo ny rafi-pitantanan-draharahany sy ny fahefana omen' ny lalàna azy (afa-tsy i Paris sy i Lyon ary i Marseille, amban' ny lalàna PLM). Ny kaominin' i Alsace-Moselle dia manana ny mahasamihafa azy araka ny lalàna azony tamin' izy lasa alemana tamin' ny taona 1871-1919. Ny kaominina sy ny departementan' i Île-de-France dia manana fitsipika manokana momba ny pôlisy administrativa.

Ny rafi-pitantanana ao amin' ny ny kaominina dia ny filankevitra monisipaly (conseil municipal) sy ny ben' ny tanàna (miampy ny ben' ny tanàna lefitra iray na maro). Ny mpikambana ao amin' ny filankevitra dia lany amin' ny alalan' ny fifidianana mivantana andraisan' ny mponina rehetra anjara sady miasa mandritra ny enin-taona. Ny filankevitra monisipaly no mifidy ny ben' ny tanàna, ny anjara asany dia mampihatra ny fanapahan-kevitry ny filankevitra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Bezonvaux, Beaumont-en-Verdunois, Cumières-le-Mort-Homme, Fleury-devant-Douaumont, Haumont-près-Samogneux et Louvemont-Côte-du-Poivre
  2. "kopian'ny arisiva" (PDF). Archived from the original (PDF) on 2016-03-04. Retrieved 2009-12-06.
  3. L’analyse des comptes 2003 des communes Archived Septambra 6, 2009 at the Wayback Machine, Rapport du ministère des finances