Hainteny

Avy amin'i Wikipedia

Ny hainteny na hain-teny dia sokajin-dahabolana malagasy izay hita indrindra ao amin'ny Merina, izay miendrika tononkalo fohy iresahana zava-madinika aloha, avy eo mankany amin'ny tena lohahevitra, ka amin'ny alalan'ny fampifandraisana amin'ny fomba kanto ny voanteny araka ny endriny na ny heviny no ahatongavana amin'izany. Ny lohahevitra dia matetika momba ny fitiavana. Azo heverina ho mitovitovy amin'ny pantun maley ny hainteny, ka azo atao ny manatsoa-kevitra fa fomba fanaovana lahabolana teo amin'ny Malaiô-pôlineziana efa hatry ny ela izany ary tafiditra teto Madagasikara tamin'ny fifindrà-monin'ireo vahoaka avy any Indônezia.

Nampanao fanangonana hainteny an-tsoratra ny mpanjaka Ranavalona I tamin'ny taonjato faha-19. Ilay mpanoratra frantsay Jean Paulhan, izay nonina teto Madagasikara haramin'ny taona 1908 k hatramin'ny taona 1910 dia nanao fandalinana momba ny hainteny ka namoaka bokin-kainteny nadika amin'ny teny frantsay tamin'ny taona 1913. Matetika ny hainteny dia ahitana ohabolana sy kabary mandravaka azy. Mety hahenoana angano na tantara na ankamantatra koa ny hainteny.