Kabary

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Famaritana Ny KABARY dia lahateny atao amin'ny feo avo ka entina hampitana hafatra ary ravahina amin'ny hainteny sy ohabolana. Samy nanana ny fomba nitrandrahany ny kabary ny rehetra ka izay no mahatonga ny famaritana somary maro amin'izao fotoana izao ny atao hoe kabary, fa saingy io no fototra ka miainga avy amin'io avokoa ny famaritana rehetra misy ankehitriny.

Ny karazana kabary Maro karazana ny kabary satria maro tokoa ny hafatra hampitaina. Anisan'ireny ny fampitana arahaba, ambara amin'ny teny tsotra hoe KABARY FIARAHABANA. Ny firariantsoa isan-tsokajiny. Ny kabary ampanambadiana izay ahafahana mahafehy ny kabary rehetra ny fahaizana azy. Ny kabary ankaratsiana : famangiana, fisaorana am-pandevenana (ambohitra, ampiangonana, ambony fasana). Ny kabary ampamadihana. ...