Gnôstisisma

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Gnostisisma)

Ny gnôstisisma dia firehan-kevitra na rafi-pisainana ara-pilôzôfia sy ara-pivavahana tsy natao ho fanta-bahoaka, izay mihambo hanam-pahalalana feno an' Andriamanitra sy ny zava-drehetra sady manankina ny famonjena amin' izany fahalalana miafina izany. Nandroso tamin' ny taonjato faha-2 sy faha-3 taor. J.K. ny gnôstisisma. Nivoy hevitra mifanohitra amin' izay ataon' ny ankamaroan' ny Kristiana hoe "finoana marina" (na ôrtôdôksia) ny gnôstisisma na dia nisy ampahany amin' ny mpanaraka azy aza anisan' ny Kristiana ihany. Ny mpanaraka ny gnôstisisma dia atao hoe Gnôstika.

Mampanantena fahalalana miafina momba ny fanjakan' Andriamanitra ny gnôstisisma ka milaza fa misy pitik' afon' Andriamanitra milatsaka avy amin' izany fanjakana mihoa-draha izany manketo amin' ity tontolon' ny zaka ity, izay eo ambany fanapahan' ilay Ratsy, sady migadra ao amin' ny vatan' ny olombelona. Voafohan' ny fahalalana ilay singan' andriamanitra ao amin' ny olombelona ka miverina any amin' ny toerana tokony hisy azy, dia ny fanjakana mihoa-draha any an-danitra. Ny olombelona dia noforonin' ny andriamanitra ambany tsy tonga lafatra, dia ilay Mpahary izay taon' ny Gnôstika hoe Demiorga na Iahveh koa. Ity andriamanitra ratsy ity dia mifanohitra amin' ilay andriamanitra ambony izay sady tonga lafatra no mihoa-draha nefa mifandray amin' ny olombelona amin' ny alalan' ny fahalalana nomeny.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe gnôstisisma dia avy amin' ny teny grika hoe γνωστικός / gnostikos sy γνῶσις / gnōsis. Ny teny hoe gnōsis dia manondro fahalalana mifototra amin' ny zavatra niainan' ny tena manokana. Ao amin' ny sehatry ny fivavahana, ny gnosis dia fahalalana mistika na ezôterika mifototra amin' ny fandraisana anjara mivantana ao amin' ny andriamanitra. Amin' ny ankamaroan' ny rafitra gnôstika, ny antony ampy momba ny famonjena dia io "fahalalana an' " ("fifaneraserana amin' ") ny andriamanitra io. Izany dia "fahalalana" ao anaty, azo ampitahaina amin' izay ampirisihan' i Plôtinôsy (neôplatônisma), ary tsy mitovy amin' ny fomba fijery kristiana prôtô-ôrtôdôksa. Atao hoe Gnôstika "ireo izay miompana amin' ny fahalalana sy ny fahatakarana - na ny fahatsapana sy ny fianarana - amin' ny maha endrika manokan' ny fomba fiainana". Ny hevitry ny teny hoe gnostikos mahazatra amin' ny lahatsoratra grika klasika dia "nianatra", "nahita fianarana" na "avara-pianarana", toy izay nampiasain' i Platôna tamin' ny fampitahana ny "mampihatra" (praktikos) sy ny "avara-pianarana" (gnostikos). Ny fampiasan' i Platôna ny hoe "nahita fianarana" dia mahazatra amin' ny lahatsoratra klasika.

Tamin' ny vanim-potoana helenistika (grika) dia nanomboka nampifandraisina amin' ny mistery grika-rômana koa ny gnosis ka lasa mitovy amin' ny teny grika hoe musterion. Tsy ampiasaina ao amin' ny Testamenta Vaovao ilay mpamari-toetra, fa i Klemento avy any Aleksandria kosa dia miresaka momba ny Kristiana "nahita fianarana" (gnostikos) amin' ny teny feno fankasitrahana. Ny fampiasana ny hoe gnostikos mifandray amin' ny fivavahan-diso (na fampianaran-diso) dia avy amin' ny mpanao dikan-teny ny asasoratr' i Ireneo. Misy manam-pahaizana mihevitra fa i Ireneo indraindray dia mampiasa ny teny grika hoe gnostikos mba hidika fotsiny hoe "manam-pahaizana", fa ny filazany ny "sektan' ny nahita fianarana" dia fanondroana manokana. Ny teny hoe gnôstisisma dia tsy hita ao amin' ny loharanon-kevitra tranainy, fa noforonin' i Henry More voalohany tamin' ny taonjato faha-17 tao amin' ny fanaovana heviteny momba ny taratasy fito ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy, izay nampiasan' i More ny teny hoe gnôstisisma mba hilazana ny fivavahan-diso tany Tiatira. Ny teny hoe gnostisisma dia avy amin' ny fampiasan' i Ireneo ny teny grika hoe γνωστικός / gnostikos (midika ara-bakiteny hoe "nianatra", "nahita fianarana", "avara-pianarana"), tamin' ny taona 185, mba hamaritany ny sekolin' i Valentinio ho legomene gnostike haeresis ("hevi-diso lazaina fa nahita fianarana").

Ny sampana lehibe ao amin' ny gôstisisma[hanova | hanova ny fango]

Gnôstisisma jodeô-kristiana[hanova | hanova ny fango]

Na dia hita indrindra tany Mezôpôtamia aza ny Elkesaita sy ny Mandeana tamin' ny taonjato vitsivitsy voalohany taor J.K., dia toa ny Jodeana-Isiraelita tany amin' ny Lohasahan' i Jordana no niaviany.

Elkasaita[hanova | hanova ny fango]

Ny Elkesaita na Elkesaita dia sampana jodeô-kristiana batista izay nipoitra tao Transjordania ary navitrika teo anelanelan' ny taona 100 sy 400 taor. J.K. Nanao batisa imbetsaka ho an’ ny fanadiovana ny mpikambana tao aminy io sekta io ary nanana toe-tsaina gnôstika. Nantsoina avy amin' ny anaran' ny mpitarika azy hoe Elkesai ilay sekta. Araka ny voalazan’ i Joseph Lightfoot, ilay Rain' ny Fiangonana atao hoe Epifaniôsy (nanoratra tamin’ ny taonjato faha-4 taor J.K.) dia toa nanavaka ny antokon’ olona lehibe roa tao amin’ ny Eseniana, dia ny Ôseana sy ny Nasareana."

Toa hetsiky ny Kristiana manam-piaviana jiosy nipoitra tamin' ny taonjato faha-2 ary nanjavona taorian' ny taonjato faha-10, tamin' ny daty tsy voafaritra ny elkasaisma. Iadian-kevitra eo amin' ny fikarohana ny niaviany. Ity hetsika ity dia voaporofo fisiana voalohany tany Mezôpôtamia Avaratra izay toa nipoirany tany amin' ny fiandohan'ny taonjato faha-2.

Ny elkasaisma dia niteraka ny manikeisma. I Mani, mpanorina azy dia notezaina tao Mesena (eo amoron' i Shatt-el-Arab) tao amin' ny vondrom-piarahamonina batista izay angamba elkasaita. Ny hetsika elkasaita koa dia toa nisy fiantraikany teo amin' ny finoana silamo, izay angamba nipoitra avy aminy amin' ny ampahany. Mety ho mpandova azy ny Sabeana resahina ao amin' ny Kor'any. Ny ankamaroany dia toa nitambatra tao amin' ny silamo tamin' ny fiandohany, na dia misy vondrona vitsivitsy amin' ity hetsika ity aza mbola nisy hatramin' ny taonjato faha-10 ao amin' ny Tontolo Silamo.

Mandeisma[hanova | hanova ny fango]

Ny mandeisma dia fivavahana mônôteista, manana fomba fijery doalista momba izao tontolo. Ny Mandeana dia manandratra an' i Adama, i Abela, i Seta, i Enôsy, i Nôa, i Sema, i Arama ary indrindraindrindra i Joany Mpanao Batisa. Tany amin' ny tany manodidina an' i Eofrata ambany sy Tigrisy (na Tigra) ary ny renirano manodidina ny lalan-dranon' i Shatt-al-Arab no tena ahitana ny Mandeana tamin' ny voalohany. Ankehitriny, io faritra io dia ao amin' ny fizaran-tanin' i Iràka sy ny faritanin' i Khuzestan any Iràna. Ny Mandeana dia miaina misaraka amin' ny tsy mitovy finoana aminy. Ny anarana hoe mandeisma na mandeana dia avy amin' ny teny arameana hoe "manda" izay midika hoe "fahalalana".

Mino ny Mandeana fa misy ady na fifanoherana tsy tapaka eo amin' ny herin' ny tsara sy ny an' ny ratsy. Ny herin' ny tsara dia asehon' i Nhura ("Mazava") sy i Maia Hayyi ("Rano velona") ary ny an' ny ratsy kosa dia asehon' i Hshuka ("Haizina") sy i Maia Tahmi ("Rano maty na maloto"). Ireo rano roa ireo dia mifangaro ao amin' ny zava-drehetra mba hampisy fifandanjana. Ny Mandeana koa dia mino ny fiainana aorian' ny fahafatesana na ny lanitra antsoina hoe Alma d-Nhura (Tontolon' ny Fahazavana).

Ao amin' ny mandeisma, ny Tontolon' ny Fahazavana dia tarihin' ny Andriamanitra Avo Indrindra, fantatra amin' ny anarana hoe Hayyi Rabbi ("Ny Fiainana Lehibe" na "Ilay Andriamanitra Velona Lehibe"). Ny Tompon' ny Haizina (Krun) no mpitondra ny tontolon' ny haizina miforona avy amin' ny rano maizina maneho ny korontana (khaos). Ny tena mpiaro ny tontolo maizina dia biby goavam-be na dragona, mitondra ny anarana hoe Ur, ary misy mpitondra vavy ratsy fanahy koa mipetraka ao amin' ny tontolo maizina, antsoina hoe Ruha.

Hetsika batista samaritana[hanova | hanova ny fango]

Araka ny voalazan' i Magris dia sampam-pivavahana avy amin' i Joany Mpanao Batisa ny hetsika batista samaritana. Sampana iray kosa no notarihin' i Dôsiteôsy sy i Simôna Magy ary i Menandrôsy. Teo amin' io tontolo io no nipoiran' ny hevitra hoe anjely tsy mahay na inona na inona no namorona izao tontolo izao. Manaisotra ny vokatry ny fahotana ny fombafomban' ny batisan' izy ireo, ary mitarika ho amin' ny fahaterahana indray izay naharesy ny fahafatesana voajanahary vokatry ny asan' ireo anjely ireo. Heverin' izy ireo ho fisehoana ara-batan' ny hery na fanahy na fahendren' Andriamanitra, sy ho mpanavotra sy mpanambara ny 'tena fahalalana ny mpitarika samaritana. Anisan' io hetsika io ny Simôniana sy ny Valentiniana ary ny Kokita,

Gnôstisisma siriana-egiptiana[hanova | hanova ny fango]

Ny gnôstisisma siriana-ejipsiana dia ahitana ny setianisma, ny valentinisma, ny basilidiana, ny tômasina, ary ny gnôstikan' ny bibiava, ary koa vondrona vitsy anisa sy mpanoratra sasany. Ny hermetisma koa dia endriky ny gnôstisisma tandrefana, na dia tsy mitovy amin' ireo vondrona hafa ireo amin' ny lafiny sasany. Ny sekoly siriana-ejipsiana dia nahazo ny ankamaroan' ny fomba fijeriny avy amin' ny fitaoman' ny platônisma. Izy io dia mampiseho ny famoronana ao amin' ny andiana fielezana (emanation) avy amin' ny loharano mônadika voalohany, izay niteraka ny famoronana izao rehetra izao amin' ny farany. Ireo sekoly ireo dia mazàna mijery ny ratsy ho matiera izay tena ambany noho ny tsara sady tsy ampy fahalalana ara-panahy sy fahatsaram-panahy fa tsy hery mitovy.

Maro amin' ireo hetsika ireo no nampiasa lahatsoratra mifandraika amin' ny kristianisma, ary misy amin' izy ireo no milaza fa Kristiana, na dia tsy mitovy amin' ny endrika ôrtôdôksa na katôlika rômana aza. I Jesoa sy ny apôstôliny sasany, toa an' i Tômasy Apôstôly, dia lazain' izy ireo fa mpanorina ny ny lova tômasiana, izay hita ao amin' ny lahatsoratra gnôstika maro. Nohajaina sy noheverina ho mpitarika gnôstika i Maria Magdalena, ary heverina ho ambony noho ny apôstôly roa ambin' ny folo ao amin' ny lahatsoratra gnôstika sasany, toy ny Filazantsaran' i Maria. Nolazain' ny mpandika teny gnôstika sasany ho Gnôstika i Joany Evanjelista, toa izany koa aza i Paoly. Ny ankamaroan' ny literatiora avy amin' ity sokajy ity dia fantatra amin' ny alalan' ny Tranom-bokin' i Nag Hammadi.

Setiana-barbeloita[hanova | hanova ny fango]

Ny setianisma dia anisan' ny hetsika lehibe amin' ny gnôstisisma nandritra ny taonjato faha-2 ka hatramin' ny faha-3, ary ny prôtôtipan' ny gnôstisisma nohelohin' i Ireneo. Ny sethianisma dia nanao ny gnosis ho avy amin' i Seta, zanakalahy fahatelon' i Adama sy i Eva, sy amin' i Nôrea vadin' i Nôa, izay mitana anjara toerana ao amin' ny mandeisma sy ao amin' ny manikeisma. Ny Apôkrifan' i Joany no lahatsorata lehibe ao amin' izy ireo, izay tsy ahitana singa kristiana, ary fitambaran' ny fedrà roa taloha. Ny lahatsoratra taloha toa ny Apôkalipsin' i Adama dia mampiseho famantarana ny maha talohan' ny kristianisma azy ary mifantoka amin' i Seta. Mbola mifandray amin' ny platônisma ny lahatsoratra setiana tatỳ aoriana.

Araka ny voalazan' i John D. Turner, ny setianisma dia niharan' ny fiheverana kristiana sy platônisma afovoany, ary nipoitra tamin' ny taonjato faharoa tamin' ny alalan' ny fitambaran' ny antokon' olona jiosy mpanao batisa izay mety ho taranaky ny mpisorona, ilay antsoina hoe Barbelôita (nomena anarana avy amin' ny an' i Barbelô, izay fisehoana voalohan' ny Andriamanitra Avo Indrindra) sy antokon' ny mpandalina ny Baiboly, atao hoe Setita, ny "taranak' i Seta". Tamin' ny faran' ny taonjato faharoa, ny setianisma dia nitombo any ivelan' ny ôrtôdôksia kristiana andalam-pivoarana izay nandà ny fomba fijery dôketikan' ny Setiana momba an' i Kristy.

Tamin' ny faramparan' ny taonjato fahatelo dia notsikerain' ny Neôplatonisiana mafy toa an' i Plôtinôsy ny setianisma, ary nanjary tafasaraka tamin' ny platônisma. Tany am-piandohan' ny taonjato fahefatra ka hatramin' ny tenatenany, ny setianisma dia nizarazara ho vondron-ketsika gnôstika isan-karazany toy ny Arkôntika, ny Aodiana, ny Bôrbôrita, ary ny Fibiônita, ary angamba koa ny Stratiôtika, ary ny Sekondiana. Ny sasany amin' ireo vondrona ireo dia nisy hatramin' ny Andro Antenatenany.

Valentinianisma[hanova | hanova ny fango]

Basilideana[hanova | hanova ny fango]

Tômasiana[hanova | hanova ny fango]

Markiôna[hanova | hanova ny fango]

Hermetisma[hanova | hanova ny fango]

Ôfita[hanova | hanova ny fango]

Kerinto[hanova | hanova ny fango]

Kainita[hanova | hanova ny fango]

Karpôkratiana[hanova | hanova ny fango]

Jostino[hanova | hanova ny fango]

Bôrbôrita[hanova | hanova ny fango]

Gnôstisisma persiana[hanova | hanova ny fango]

Manikeisma[hanova | hanova ny fango]

Gnôstisisma tamin' ny Andro Antenatenany[hanova | hanova ny fango]

Silamo[hanova | hanova ny fango]

Kabala[hanova | hanova ny fango]

Gnôstisisma ankehitriny[hanova | hanova ny fango]

Ny mpitarika gnôstika malaza[hanova | hanova ny fango]

Simôna Magy[hanova | hanova ny fango]

Basilida[hanova | hanova ny fango]

Valentinio[hanova | hanova ny fango]

Markiôna[hanova | hanova ny fango]

Literatiora gnôstika[hanova | hanova ny fango]

Resaka nifanaovana tamin' i Jesoa

Lahatsoratra ankapobeny momba an' i Jesoa

Lahatsoratra setiana momba an' i Jesoa

Kisarisary momba ny ritoaly

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]