Fiteny grika

Avy amin'i Wikipedia
Fiteny grika
Ελληνικά (elliniká)

Isan'ny mpiteny 15 tapitrisa
Faritany Grisy, Endrika:Kipra, Aostralia
Sata ; Teny ofisialy


Ny fiteny grika dia fiteny indô-eorôpeanina. Izy no fiteny ôfisialy ao Grisy sy ao Kipra. Tao Grisy sy tao amin’ ny morontsirak' i Azia Minora, ary tao amin’ ny faritra atsimo amin’ i Italia no toerana nitenenana io fiteny io voalohany. Nisy ihany koa fotoana nampiasana ny fiteny grika koa tao Azia Andrefana sy tao Afrika Avaratra. Ny anaran’ ny fiteny grika amin’ ny teny grika dia Ελληνικά / Elliniká.

Mampiasa ny abidy grika ny Grika rehefa manoratra ny teniny. Avy amin’ ny abidy grika ny abidy latina izay anoratana ny teny malagasy sy ny teny frantsay ary ny ankamaroan’ ny teny eorôpeanina tandrefana. Abidy hafa maro ihany koa no avy amin’ ny abidy grika toy ny abidy sirilika. Avy amin’ ny abidy fenisianina kosa io abidy grika.

Manana tantara an-tsoratra tsy tapaka nandritry ny telo arivo taona ny fiteny grika. Izany dia maharitra kokoa noho ny fiteny indô-eorôpeana hafa tenenina ankehitriny. Mizara telo toko izany tantara izany: ny fiteny grika taloha sy ny fiteny grika tamin' ny Andro Antenatenany ary ny fiteny grika ankehitriny. Ny fiteny grikan' ny fotoana teo anelanelan’ ny taona 330 sy 1453 dia antsoina hoe fiteny grika tamin’ ny Andro Antenatenany izay nanjakan’ ny Empira Bizantina.

Ankehitriny dia eo amin’ ny 15 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona miteny grika. Ao Grisy sy Kipra (na Kiprôsy) no misy ny ankamaroan’ izy ireo. Misy ihany koa ny olona miteny grika any amin’ ny firenena maro. Ny anton’ izany dia ny fifindra-monin’ ny mpiteny grika. Maro dia maro ny Grika lasa nifindra monina tany Aostralia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]