Fizika

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny astrônaoty eny amin'ny habakabaka dia miara-milatsaka amin'ny Tany
Tselatra

Ny Fizika (avy amin'ny teny grika φυσις midika ny zavaboary na ny natiora) dia araka ny haiendri-teniny ny « siansan'ny zavaboary ». Amin'ny dikany amin'ny ankapobe na amin'ny dikany daloha, ny fizika dia manonona ny fahalalàna ny zavaboary ; io no dika nomen'i René Descartes sy ny mpianany Jacques Rohault sy i Régis[1]. Ny fizika dia taranja mandinika ny zavaboary, ary ny tanjony dia mahafantatra ny hetsiny sy ny fitondrany.

Ny fizika sia anisan'ny taranja akademika antitra indrindra fantatra. Betsaka ny taranja mampiasa ny siansa fizika, toy ny eketrônika, ny hainkintana na koa ny mekanika ; nandritry izay roa arivo taona izay, ny fizika dia teny mitovitovy dika amin'ny filôzôfia, ny simia, ary sampan'ny matematika ary ny biôlôjia ; fa nandritra ny revolisiona siantifika tamin'ny taonjato faha 16, ny fizika dia nivoatra ho lasa siansa manokana. Fa na izany aza nefa, amin'ny taranja sasany toy ny fizika matematika na amin'ny simia koantika, sarotra avahana ny fetran'ny fizika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. Araka ny boky Le Littré