Fiteny soedoa

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny fiparitahan'ny olona miteny soedoa

Ny fiteny soedoa (svenska Hainoy) dia fiteny jermanika tenenina any avaratr' Eoropa. Ny isan'ny olona miteny io fiteny io dia folo tapitrisa ; ny ankabeazan'ny mpiteny soedoa dia any Soeda ary misy fikambanana vitsivitsy any Finlandy, ireo firenena ireo mampiasa ny fiteny soedoa ho teny ofisialy.

Ny fiteny soedoa dia fiteny mitovitovy endrika amin'ny fiteny norvejiana sy ny fiteny Danoa, ary mety mifankahazo ny olona miteny iraika amin'ireo teny telo ireo. Ny anton'ny fifankahazoana ny mpiteny soedoa, danoa sy norvejiana dia zareo avy amin'ny fiteny norsa taloha, fiteny tenenin'ny foko jermanika tany Skandinavia nandritry ny fitaona ny Viking.

Ny fiteny soedoa tsotra, tenenin'ny ankabeazan'ny olom-pirenena soedoa, dia tenim-pirenena avy amin'ny fiteny soedoa maromaro notenenina teo amin'ny faritra afovoany tamin'ny taonjato faha 19 hatramin'ny fanombohan'ny taonjato faha roapolo. Ny fiteny soedoa soratana dia iray ihany, fa ny fiteny soedoa tenenina dia arakaraky ny faritra isiana. Ny fiteny sasantsasany dia mety samihafa be amin'ny fiteny soedoa tsotra na amin'ny lafin'ny fitsipi-pitenenana na amin'ny lafin'ny voambolana ampiasaina, ary mety tsy mifanitsy amin'ny fiteny soedoa tsotra izy. Ireo fiteny sarotra azo ireo dia voafetra amina velarana ny ambanivohitra ary vitsivitsy ihany ny isan'ny olona miteny azy. Ankehitriny ny ankabeazan'ny fitenim-paritra mitady ho very fa ampazoton'ny governemanta sy ny fahefana ny soedoa hiteny ny fitenim-paritra.

Ny rafitry ny fehezanteny dia Mpanao-Matoanteny-Fameno, fa mety ovaovaina izy arakaraky ny teny ampiasaina sy ny fehezanteny ; mitovitovy amin'ny teny anglisy ny endriky ny fiteny soedoa, fa betsabetsaka kokoa nohon'ny teny anglisy ny fiovan'ny teny. Misy karazan-teny roa, tsy misy fiovana ara-pitsipi-pitenenana, misy fiovan-teny arak'isa (nombre). Betsaka ny isan'ny zanapeo amin'ny fiteny soedoa ary mifanakaiky izy matetika.

Ny filaharan'ny fiteny soedoa[hanova | modifier le wikitexte]

Tantara[hanova | modifier le wikitexte]

Tamin'ny taonjato faha sivy, ny fiteny norsa taloha dia lasa nipoiran'ny fiteny norsa andrefana (Islandy, Norvezy) sy atsinanana (Soeda, Danmarka). Tamin'ny taonjato faha roa ambin'ny folo, niova ho lasa samihafa ny fiteny norsa notenenina any Danmarka sy any Soeda, ny anaran'ny teny tenenina amin'ireo faritra ireo dia fiteny danoa taloha ary fiteny soedoa taloha. Ny fiteny norsa rehetra isan-karazany dia voaanjadin'ny fiteny jermana ambany nandritry ny taonjato faha 13 hatramin'ny taonjato faha 16.

Ny fiteny norsa taloha[hanova | modifier le wikitexte]

Tamin'ny tapnjato fahavalo, ny fiteny jermanika niraisana tao Skandinavia, ny Proto-Norsa, dia niova endrika ho lasa fiteny norsa taloha. Io fiteny vaovao mbola teny iraisan'ny mponina skandinaviana, dia mbola niova toetra fa tsy manerana ny Skandinavia, ny vokatr'io fiovana an-toerana io dia mampipoitra fiteny roa mifanakaiky : ny fiteny norsa taloha andrefana (tenenina any Norvezy sy any Islandy) ary ny fiteny norsa taloha atsinanana (tenenina any Soeda sy any Danmarka).

Ny fiteny soedoa taloha[hanova | modifier le wikitexte]

Ny teny hoe « fiteny soedoa taloha » dia teny ampiasaina mba hanoro ny fiteny soedoa notenenina tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha telo ambin'ny folo (1225). Ao amin'ny taratasy manan-danja indrindra nosoratana tamin'ny abidy latina dia ny lalàm-paritany, ny Västgöta na ny Västgötalagen, nahitana singan-taratasy nosoratana tamin'ny 1250.

Ny fiangonana katolika romana tamin'izany fotoana izany dia nampiditra teny maro avy amin'ny fiteny latina tao amin'ny fiteny soedoa.

Ny fiteny soedoa ankehitriny[hanova | modifier le wikitexte]

Fizarana jeografika[hanova | modifier le wikitexte]

Sata ofisialy[hanova | modifier le wikitexte]

Fiteny[hanova | modifier le wikitexte]

Fiteny soedoa tsotra[hanova | modifier le wikitexte]

Soedoa any Finlandy[hanova | modifier le wikitexte]

Feo[hanova | modifier le wikitexte]

Renifeo[hanova | modifier le wikitexte]

Zanapeo[hanova | modifier le wikitexte]

Fanoratana[hanova | modifier le wikitexte]

Fitsipi-pitenenana[hanova | modifier le wikitexte]

Jereo koa[hanova | modifier le wikitexte]

Rohy ivelany[hanova | modifier le wikitexte]

Miteny anglisy[hanova | modifier le wikitexte]

Grammars[hanova | modifier le wikitexte]
Increase vocabulary[hanova | modifier le wikitexte]
Dictionaries[hanova | modifier le wikitexte]
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.