Fiteny sarda

Avy amin'i Wikipedia
Ny nosy Sardinia na Sardagne

Ny fiteny sarda na fiteny sardiniana dia fiteny ao amin' ny sampana rômana atsimo ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ny Sarda na Sardiniana any Sardinia (na Sardagne) sy ny mpiasa mpifindra monina sardiniana maro miparitaka manerana ny kôntinanta rehetra: i Sardinia dia nisy circoli sardi ("Faribolana Sardiniana") miisa 145 eo ho eo izay mahazo fanohanana sy fanampiana ara-bola mba ho voatahiry ny kolontsaina sy ny fiteny sardiniana.

Ny fiteny sardiniana dia tsy mandrakotra ny nosy Sardinia manontolo, misy fiteny rômana hafa ny any: ny fiteny sasaresa, ny fiteny galorey (fitenim-paritra kôrsa sarteney), fiteny tabarkina (fitenim-paritra ligoriana) ary fiteny algeroà (fiteny katalàna).

Tamin' ny taona 1997, ny fiteny sardiniana, miaraka amin' ny fiteny hafa ampiasaina ao amin' ny nosy, dia neken' ny lalànam-paritr' i Sardinia. Tamin' ny taona 1999 dia neken' ny lalàna italiana momba ny vondrona ara-piteny vitsy anisa ara-tantara ihany koa ny fiteny sardiniana. Amin' ireo vondrom-poko ara-piteny roa ambin' ny folo nekena, ny fiteny sardiniana no manana mpiteny betsaka indrindra, na dia mihena hatrany aza izany. Saika ny mpiteny rehetra no mampiasa fiteny roa dia ny fiteny sardiniana sy fiteny italiana.

Ny fiteny sardiniana dia tsy tokony hafangaro amin' ny fiteny paleôsardiana talohan' ny Rômana izay azo inoana fa tsy fiteny indô-eorôpeana; raha nanjavona hatry ny ela ity farany, ny voalohany dia sokajin' ny UNESCO ho fiteny atahorana ho maty amin' ireo fitenim-paritra lehibe ao aminy.

Na dia azo faritana ho manana "fahatongavan-tsaina ambony momba ny fiteny" aza ny vondrom-piarahamonin' ny mpiteny sardiniana dia atahorana mafy ho faty ny ny fteny sardiniana noho ny fizorana amin' ny fiovam-pitenenana mankany amin' ny fiteny italiana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]