Fiteny ôksitana
Ny fiteny ôksitana na langue d'oc (amin'ny fiteny ôksitana : occitan, lenga d’òc na óucitan, lengo d’o) dia fiteny ao amin'ny vondron'ny fiteny rômana tenenina ao atsimon'i Frantsa, ao amin'ny lohasaha ôksitana ary ny Guardia Piemontese (any Italia), any amin'ny Val d'Aran (Esapaina) ary any Monako. Ôksitania no fiantsoana ny tontolo ara-piteny ary ara-kolontsaina ôksitana.
Miovaova araka ny faritra isiana ny endriky ny fiteny ôksitana (roky enina, joro literera ary joro ara-tsoratra maro dia maro ary tsi-fisiana fiteny tenenina ho joro). Ankehitriny, araka ny ambaran'ireo loharano maro dia maro, ny isan'ireo olona miteny ôksitana dia 500 000 hatramin'ny 12 tapitrisa (raha isaina ireo olona mahazo fiteny ôksitana fa tsy mahay miteny azy). Ny havitsian'ny olona miteny ôksitana ankehitriny dia vokatry ny politika nentin'i Frantsa momban'ny fitenim-paritra (patois) tamin'ny faran'ny taonjato faha 19 hatramin'izao fotoana izao. Ankehitriny, voasolon'ny fiteny frantsay ny fiteny ôksitana tany Frantsa ary teny italianina tany Italia.