Fiteny grika taloha

Avy amin'i Wikipedia
Fanombohan' ny tantara Odisey (Odisseia)

Ny fiteny grika taloha dia fiteny notenenina tany Grisia tamin' ny Andro Taloha nanomboka tamin' ny 800 tal. J.K. hatramin' ny taona 400 tal. J.K. Any Eorôpa, ny fiteny grika miaraka amin' ny fiteny latina no fiteny taloha mbola ampiasaina indrindra ho an' ny mpiteny eorôpeana ankehitriny. Ireo fiteny mampiasa teny grika taloha dia ny fiteny latina sy ireo fiteny avy amin' ny fiteny latina (fiteny frantsay, fiteny anglisy, fiteny espaniôla, fiteny italiana).

Betsaka ny firokin' ny fiteny grika taloha, izany hoe ny endrika isam-paritra isehoan' io fiteny io, fa heverin' ny mpahay siansa rehetra fa ny fiteny atikianina no madio indrindra amin' ireo firoky ireo. Niely manerana ny tany manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Mediteranea ny fiteny grika taloha. Nanaparitaka ilay fiteny tany Azia i Aleksandra Lehibe, ary elaela taoriana mandritra ny Empira Rômana dia nianatra teny grika taloha ny Rômana ao amin' io fanjakambe io, ohatr' ireo mpianatra teny anglisy ankehitriny.

Ny tononkalo lehibe malaza indrindra amin' ny fiteny grika taloha dia ireo izay nataon' i Hômera.

Miova araka ny fandrosoan' ny fotaona ny fiteny rehetra, ary niova imbetsaka ny fiteny grika mandritra ny taonjato 25 manasaraka ny fiteny grika taloha sy ny fiteny grika ankehitriny. Ankehitriny dia eken' ny mpandinika fiteny rehetra fa tamin' ny taona 453 ny fiteny grika ankehitriny no nanomboka nisy. Izany hoe ny fiteny grika ankehitriny dia vokatry ny fivoaran' ny fiteny grika taloha nandritry ny taonjato 25.

Firoky[hanova | hanova ny fango]

Ireo firoky ny fiteny grika taloha

Nandritra ny Andro Taloha dia tsy nanana firoky tokana ny fiteny grika. Ny fiteny iônianina-atikita, firokin' i Atenay, no firokim-piteny grika taloha tena fantatra ankehitriny. Io no fototry ny fiteny grika ankehitriny ary tamin' io firoky io no nanoratan' ny mpanoratra toa an-dry Platô sy Aristôfanesy.

Fanoratana[hanova | hanova ny fango]

Ny tarehin-tsoratra voalohany indrindra nanoratana ny fiteny grika taloha dia ny abidy lineary B, izay silabera tsy misy ifandraisana amin' ny abidy grika taloha na ankehitriny, izay nanoratana ny firokin' ny fiteny grika nampiasaina tany Grisy an-kôntinenta ary tany Kreta tamin' ny taonjato faha-14 sy faha-13 tal. J. K.

Endrika[hanova | hanova ny fango]

Fitsipi-pitenenana[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.