Fiteny fenika

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny fenika na fiteny finika na fiteny baltô-finoà na fiteny baltô-finika dia fianakaviam-piteny ao Eorôpa Avaratra. Mirafitra ao amin' ny fiteny finô-ogriana (izay ahitana koa ireo fiteny sama na fiteny lapôna any Lapônia sy ny fiteny hongariana ary ny fiteny madinika maro ao Rosia) izy. Ny teny hoe fenika na finika dia mampahatsiahy an' i Estônia sy i Finlandy ary i Carelia. Manodidina ny Ranomasina Baltika no onenan' ny ankamaroan' ny mpiteny fenika izay miisa 7 tapitrisa any ho any.

Firenana roa eto amin' izao tontolo izao no manao fiteny fenika iray ho fiteny ôfisialy: i Finlandy (fiteny finoà) sy i Estônia (fiteny estôniana).

Ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny fenika[hanova | hanova ny fango]

Ny fianakaviam-piteny fenika dia ahitana: ny fiteny finoà, ny fiteny kareliana, ny fiteny vepsa, ny fiteny vôta, ny fiteny ingriana, ny fiteny estôniana, ary ny fiteny livôniana.

Ny fiteny finoà[hanova | hanova ny fango]

Tenenina ao Finlandy, ao Estônia, ao Soeda, ao Nôrvezy ary ao avaratra–andrefana amin' i Rosia ny fiteny finoà. Io fiteny io dia mizara ho karazany maromaro: ny fiteny soômy izay tenenina ao Finlandy, sy ny fitenim-pariny toy ny fiteny savô; ny fiteny kvena, izay tenenina ao Nôrvezy; ny fiteny meankiely na finoà tôrnedaliana izay tenenina ao Soeda.

Ny fiteny kareliana[hanova | hanova ny fango]

Fitenin' ny vahoaka Kareliana ao Carelia, faritra midadasika misabaka eo amin' i Finlandy sy i Rosia, ny fiteny kareliana. Ireto ny sampany: ny fiteny karjala (tenenina ao Rosia sy ao Finlandy) sy ny fiteny ôlônetsiana ary ny fiteny loda.

Ny fiteny vespa[hanova | hanova ny fango]

Fitenin' ny vahoaka Vespa ao amin' ny Repoblikan' i Carelia ny fiteny vepsa na fiteny vespiana. Ny Vespa dia monina any amin' ny morontsiraka andrefan' ny Farihy Onega (any Carelia rosiana) sy any amin' ny ilany atsinanan' ny Ôblastan' i Leningrad ary any amin' ny tapany andrefan' ny Ôblastan' i Vologda.

Ny fiteny vôta[hanova | hanova ny fango]

Fitenin' ny vahoaka Vôta ny fiteny vôta, izay tsy mbola voasoratra. Tandindomin-doza ity fiteny ity indrindra noho ny fanjavonan' ny vahoaka mpiteny azy. Tanàna telo any atsinanan' ny vinanin' ny ony Luga, any andrefan' i Saint-Pétersbourg, any Rosia, no misy ireo mpiteny azy ireo.

Ny fiteny ingriana[hanova | hanova ny fango]

Tenenina ao amin' ny Ôblastan' i Leningrad, ao amin' ny Raiônan' i Kingissepp sy ny Raiônan' i Lomonosov, ny fiteny ingriana na fiteny izôra na fiteny izôriana. Mihena isa hatrany ny vahoaka Ingriana ka noho izany dia tandindomin-doza ilay fiteny. Mizara ho fitenim-paritra roa ny fiteny ingriana, dia ny fitenim-paritr' i Soikkola, izay tenenina ao amin' ny saikinosy Soikino, any amin' ny Raiônan' i Kingissepp, sy ny fitenim-paritr' i Hevaha, ao amin' ny Raiônan' i Lomonossov.

Ny fiteny estôniana[hanova | hanova ny fango]

Fiteny ôfisialin' i Estônia ny fiteny estôniana, izay mizara ho vondrom-pitenim-paritra roa, dia ny fiteny estôniana avaratra (fiteny eesty) (izay tenenina ao Estônia, ao Finlandy, ao Letônia ary ao avaratra-andrefana amin' i Rosia; sy ny fiteny estôniana atsimo, izay mizara ho fiteny vôrô (ao Estônia), fiteny lotsy (ao Letônia), fiteny molgy (ao Estônia), fiteny setô (ao Estônia sy ao Rosia), ary fiteny tarto (ao Estônia).

Ny fiteny livôniana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny livôniana na fiteny liva dia fiteny be mpampiasa tany Livônia nefa lasa fiteny maty ankehitriny. Maty tany Kanada tamin' ny taona 2013 ny Livôniana farany niteny livôniana. Livôniana vitsivitsy no mianatra na nianatra ilay fiteny mba hamelomana azy indray na dia tsy matetika aza ny fampiasana azy.