Ranomasina Baltika
Ny ranomasina Baltika dia ranomasina iray eo amin'ny faritra Avaratr'i Eoropa. Ny firenena manana amorontsiraka amin'ny ranomasina Baltika dia i Alemaina, Danmarka, Rosia, Soeda, Finlandy, Litoania, Estonia, Letônia ary Polonia. Zato tapitrisa no isan'ny mponina miaina manodidon'ny Ranomasina Baltika.
Votoatiny |
Fihaviana [hanova]
Ny ranomasina Baltika dia, tamin'ny voalohany, velaran-dranomamy lehibe vokatry ny fitsonihan'ny ranomandry nandrakotra an'i Eoropa Avaratra tamin'ny Taona Mangatsiaka farany iray alina taona lasa izay. Tsy nikasika ny Ranomasina ilay velaran-drano tamin'ny voalohany. Nivadika ranomasina ny ranomasina Baltika tamin'ny faran'ny Taona Mangatsiaka.
Jeografia [hanova]
Ny ranomasina Baltika dia atao hoe farihy proglaciaire tamin'ny andro taloha. Nivadika Ranomasina ny Ranomasina baltika tamin'ny fialan'ny ranomandry ary ny fitatry ny tany manodidona (antsoina hoe izôstazia, izany hoe mitatra ireo tany voapotsitra rehefa tsy voapotsitra intsony).
Velarantany [hanova]
Ny velarantan'ny ranomasina Baltika dia dimy alina sy efatra hetsy kilometatra toradroa raha isaina ny Kattegat.
Hasira [hanova]
Ny hasiran'ny ranomasina Baltika dia folo grama isaky ny litatra. Izany hoe ampahan-telon'ny hasira salasalan'ny ranomasimbe eto Tany.