Fanjakana Kômôriana

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Fanjakana Kômôriana (1975–1978)
Ahmed Abdallah Abdéremane

Ny Fanjakana Kômôriana no fitondrana pôlitika voalohany an' i Kômôro mahaleo tena voaforon' ny telo amin' ny nosy lehibe efatra mandrafitra ny vondronosy Kômôro: Ngazidja (na Grande Comore) sy Mwali (na Mohéli) ary Nzwani (na Anjouan) (i Mayotte ihany no nifamatotra tamin' i Frantsa), izay nambaran' i Ahmed Abdallah Abdéremane ny fahaleovantenany tamin' ny 6 Jolay 1975. Io vanim-potoana io dia nahitana fanonganam-panjakana enina na fito, arakaraka ny mpanoratra, ary i Ali Soilih no lehilahy nahery indrindra.

Lisitry ny filoham-panjakana tao amin' ny Fanjakana Kômôriana[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny filoham-panjakana tao amin' ny Fanjakana Kômôriana.

Anarana Fe-potoam-piasana Andraikitra
Ahmed Abdallah Abderamane 6 Jolay 1975 - 7 Jolay 1975 Filohan' ny governemanta
7 Jolay 1975 - 3 Aogositra 1975 Filoham-panjakana
Said Mohamed Jaffar 3 Aogositra 1975 - 10 Aogositra 1975 Filohan' ny Filankevi-Pirenen' ny Revôlisiôna
10 Aogositra 1975 - 3 Janoary 1976 Filohan' ny Filankevi-Pirenena Mpanatanteraka
Ali Soilih 3 Janoary 1976 - 28 Ôktôbra 1977 Filoham-panjakana
28 Ôktôbra 1977 - 13 Mey 1978 Filohan' ny Filankevi-Pirenena Mpanatanteraka
Said Atthoumani 13 Mey 1978 - 23 Mey 1978 Filohan' ny Direktoara Pôlitika-Miaramila

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]