Dinika amin'ny mpikambana:Roberalimanana
Manao ahoana Roberalimanana, tonga soa eto amin’ny Wikipedia amin'ny teny malagasy! | |||
---|---|---|---|
Bienvenue ! Si vous n'êtes pas un locuteur du malgache, vous aurez peut-être envie de visiter le portail des contributeurs non-malgaches. Faites-vous plaisir ! |
Copier-coller avy amin'i jw.org = tsifanajana zom-pamorona[hanova ny fango]
Miarahaba anao tompoko,
Misaotra anao mandray anjara eto amin'i Wikipedia. Nahazo fitarainana avy amin'ny mpikambana sasany aho momba ny fomba fandraisanao anjara. Tsy lalim-pahaizana amin'ny resaka finoana aho ka tsy dia hiditra lalina loatra amin'ny lafin'ny kalitaon'ny lahatsoratra soratanao eto. Mankasitraka ny fandraisanao anjara eto amin'i Wikipedia aho, fa fantaro fa tsy azo atao velively ny mandika vontoatin-tranonkala ivelany raha tsy nahazoan-dalana. Sady mandika lalàna isika rehefa manao izany no sady tsy mahalala fomba ary mampietry antsika farany izay ambany.
Mba tsy hisian'ny fitoriana avy amin'i jw.org izay hitontona amintsika tsirairay any aoriana, dia nofafàko avokoa izay lahatsoratra hitako fa nodikainao avy tany amin'i jw.org. Ny sosokevitro -- raha hamorona ireo pejy ireo indray ianao -- dia manaova ambangovangon'ny pejy eo amin'i jw.org dia asio rohy ivelany mankany amin'i jw.org.
Raha manana fanontaniana na misy zavatra tsy mazava voalazako eto dia valio eto ihany fa manaraka an'ity pejy ity aho.
Misaotra tompoko. — Jagwargrr... mailaka 22 Novambra 2017 à 22:20 (UTC)
Aoka izay ny fandikana an'i jw.org[hanova ny fango]
Miarahaba. Nahitana fandikana be dia be avy amin'i jw.org ny fandraisan'anjaranao teo amin'ny pejy Vavolombelon'i Jehovah. Aoka izany hitsahatra noho ny antony voalazako teo ambony. Misaotra tompoko. — Jagwargrr... mailaka 26 Novambra 2017 à 11:01 (UTC)