Dinika:Vazimba

Le contenu de la page n’est pas pris en charge dans d’autres langues.
Avy amin'i Wikipedia

Fanitsiana tsipelina
1. Ny anarana foko na mponina amin’ny faritra na firenena iray dia atomboka amin’ny sora-baventy raha soratana. Ohatra : Arabo, Merina, Maley, Sakalava sns. Atomboka amin’ny soara-madinika kosa izy raha ampiasaina ho mpamari-toetra. Ohatra : fanjakana merina, mpanjaka arabo, mpanjaka maley, faritra sakalava sns.
2. Raha manondro mponina tokoa ny teny hoe vazimba dia tokony ho soratana manomboka amin’ny sora-baventy (Vazimba) toy ny hoe Malagasy ; fa raha manondro karazan-javatra (manana aina na tsia) kosa dia soratana manomboka amin’ny sora-madinika (vazimba) toy ny hoe kalanoro.
3. Ny anaran-tsamirery manomboka amin’ny Ra- na Andria- dia tsy ialohavan’ny mpanoritra i satria efa mahavoasori-tena : ny Ra- sy ny Andria- dia efa solon’ny mpanoritra. Toy izany koa ny anaran-tanàna manomboka amin’ny An- na Am- (ohatra: Antananarivo fa tsy i Antananarivo; sns).--Thelezifor (resaka) 10 Jiona 2018 à 16:50 (UTC)[répondre]