Departemanta

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Departemantan'i)
Fandrindrana ny tany Frantsay

Ny departemanta dia fizaràna ny tanim-pirenena ao amin' ny firenena iray. Ny firenena izay mampiasa ny teny hoe departemanta amin' izao fotoana dia na zanatany frantsay taloha (Benîno, Borkina Fasô, Kôtidivoara, Haity...) na firenena any Amerika Latina (Arjantina, Bôlivia, Kôlômbia, Goatemala, Hôndorasy ...).

Ny departemanta koa dia fizaràna ara-ministeran' ny governemanta iray. Araka izany:

  • Any Etazonia dia ahitana ny fandrindrana federaly (governemanta), voazara ho "U.S. Department" manana "U.S. secretary" ho tale (sekretera federaly).

Ny departemanta any Frantsa[hanova | hanova ny fango]

Ny departemanta any Frantsa dia ny fizaràna faharoa aorian' ny faritra sy ny firenena manontolo. Sahala amin' ny distrika aty Madagasikara ny departemanta ao Frantsa, saingy tsy mitondra ny anaran' ny renivohitry ny distrika izy ireo fa anarana hafa mihitsy, matetika anarana avy amin' ny ony malaza ao amin' ilay departemanta.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.