Baribaria (faritra)

Avy amin'i Wikipedia

I Barbaria na Barbarà no anarana nampiasain' ny Grika tamin' ny Andro Taloha ho an' ny morontsirak' i Afrika ao avaratra-atsinanana. Ny teny arabo mifanitsy aminy, Bilad al-Barbar ("Tanin' ny Barbar"), dia nampiasaina tamin' ny Andro Antenatenany. Ny anaran' i Barbaria dia voatahiry ankehitriny amin' ny anaran' ny tanàna sômalîn' i Berbera, tanàna fantatry ny Grika amin' ny anarana hoe Mundus. I Barbaria dia nanondro faritra roa tranainy any amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanan' i Afrika (ny Tandrok' i Afrika sy ny morontsiraky ny Ranomasina Mena).