Ranomasina Mena

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny ranomasina Mena hita avy amin'ny zanabolan'i NASA
Saritany ara-tôpôgrafian'ny ranomasina Mena

Ny Ranomasina Mena (amin'ny fiteny arabo Bahr el-Ahmar na البحر الأحمر) dia ranomasina an-kontinentna eo amin'ny basina Indo-pasifika eo anelan'ny Afrika Avaratra sy ny Atsinanana akaiky. Ny velarany dia misy 450 000 km². Io ranomasina io dia ranomasina manan-danja ary afahan'ny sambo avy any Azia atsinanana sy avy any Oseania makao Eoropa tsy mila mandalo any amin'ny Cap de Bonne-Esperance, any atsimon' Afrika Atsimo. Ny Lakandranon'i Suez, lakandrano eo anelanelan'ny ranomasina Mena sy ny ranomasina Mediteranea dia afahan'ny sambo makao Eoropa.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Ny Ranomasina mena dia eo anelanelan' Afrika sy ny tanjona Arabika. Any atsimo, ny ranomasina Mena dia mifandray amin'ny ranomasimbe Indinanina amin'ny alàlann'y Bab-el-Mandeb sy ny gôlfan' Aden. Any avaratra zarain'ny tanjon'i Sinay gôlfa roa izy, ny any gôlfa any andrefana dia ilay malaza gôlfan'i Suez ary ny any atsinanana dia gôlfan' Aqaba.

Ny halavan'i ranomasina Mena dia 1 977 km, ary 300 kilometatra monja ny heteviny. 2 500 kilometatra ny halalin'ny toerana lalina indrindra, eo amin'ny hady anivo. Ny elanelan-kalaliny dia 500 metatra eo ho eo.

Betsaka ny nosy sy tamba-nosy eo aminy. Ireto ny anarany avy any avaratr hatrany atsimo : Ny Nosin'ny Faraôna, ny Nosy Tiran, Giftu, Zabargad, Tamba-nosinn'y Dahlak, ny Nosy Farasan ary ny Nosy Hanisy.

Les pays bordant la mer Rouge sont Djibouti, l’Érythrée, le Soudan, l’Égypte, Israël, la Jordanie, l’Arabie saoudite et le Yémen.

Ny tanàna eo amorontsiraky ny ranomasina Mena : Assab, Port Soudan, Port Safaga, Hurghada, Suez, Sharm el-Cheikh, Eilad, Akaba, Dahab, Jiddah, Al Hudaydah.

Fizika[hanova | hanova ny fango]

Ny ranomasina Mena dia anisan'ny ranomasina masira indrindra eto an-tany miaraka amin'ny hasira 45 USP kanefa ny elanelan-kasiran'ny ranomasina sasany dia any amin'ny 35 USP any ho any. Ny ranon'ny ranomasian mena izany dia ranomasina mavesatra kokoa. Ny aingan' Arsimeda milaza fa ny vatana dia mitsangeva kokoa ao amin'ny ranomasina Mena.

Toe-tany[hanova | hanova ny fango]

Ny hafanana eo ambohon-dranon'ny ranomasina Mena dia tsy miovaova, 21-25 °C. Io no manao azy anisan'ny ranomasina mafana indrindra eto an-tany. Ny fahitana dia tsara hatrany amin'ny halalina 200 metatra, fa mety mitsangana ny rivotra ary ny korian-dranomasina dia mety mampilentika ny sambo kely.