Arabo israeliana

Avy amin'i Wikipedia
Olo-manan-kaja droza mankalaza fety.

Ny Arabo israeliana dia Arabo mizaka ny zom-pirenena israeliana sady monina ao Israely. Mitonon-tana ho "Palestiniana" na "Arabo israeliana" izy ireo. Tsy anisan' ny Arabo isiraeliana ny Jiosy mpitsoa-ponenana avy any amin' ny firenena arabo.

Nandritra ny Ady Arabo-Isiraeliana tamin' ny taona 1948 dia maherin' ny 250 000 amin' ny Arabo 900 000 ao amin' ny fari-tany natokana ho an' ny fanjakana jiosy araka ny drafitra fizaràna an' i Palestina teo ambany fitantanan' ny Britanika no nijanona tao an-tanànany, niverina tamin' ny fiafaran' ny ady na nafindra toerana tao anatin' i Israely. Nahazo ny zom-pirenena israeliana izy ireo.

Ny Arabo israeliana, tamin' ny volana Avrily 2017 dia eo ho eo amin' ny 20,8 % amin' ny mponina ao Israely, na 1 808 000 eo ho eo. Araka ny fitsipika fototry ny demôkrasia israeliana dia mitovy zo amin' ny Israeliana hafa ny Arabo israeliana. Na izany aza dia misy manameloka ny fanavakavahana mahazo ireo mponina ireo.

Ny ankamaroan' ny Arabo isiraeliana dia tsy manao raharaha miaramila tsy maintsy atao ao amin' ny tafika israeliana, atao hoe Tsahal: ny Droza, izay mpiara-dia tamin' ny tafika israeliana nanomboka tamin' ny Jona 1948, no tsy maintsy manao ny fanompoam-pirenena. Ho an' ny Arabo isiraeliana hafa (Kristianina na tsia) dia manaraka ny asa an-tsitrapo natao ny fanompoana mitam-piadiana. Aleon' ny sasany manao fanompoana ivelan' ny tafika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]