Antom-pisian’ny olona

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
D'où venons-nous? Que sommes-nous? Où allons-nous?
Mpanao-kanto : Paul Gauguin, Taona 1897-1898

Ny antom-pisian’ny olona dia izay fanontaniana filôzôfika mikasika ny antony isian’ny olona ary ny tanjon’ny fiainany. Maro ny fanontaniana no manazava ity hevitra ity, ohatra “Maninona eto an-tany isika?”, “Inona ny tanjon’ny fiainantsika?” ary “Inona ny dikan’ny zavatra rehetra?”. Hatramin’ny fanombohan’ny tantaran’izao tontolo izao dia naminany ny amin’ity fanontaniana ity amin’ny alalan’ny filôzôfia, siansa, sy teolojia foana ny olom-belona. Manavaka be ny teoria arakaraky ny kolontsaina sy fiheran-kevitra ny olom-belona.

Matetika ny antom-pisian’ny olona amin’ny alalan’ny filôzôfia sy finoana dia manazava sy miresaka ny fisiana, fihavanana, sy ny fifaliana ary mikasika ny fitsipi-pitondrantena, izay tena izy, tsara sy ratsy, zara sy lahatra, famaritana an’i Andriamanitra, fisian’i Andriamanitra, ny fanahy, sy ny fiainana any ankoatra. Ny siantifika dia tsy manandrana manazava hoe “maninona?” fa “ahoana?” no tonga teto an-tany ny olom-belona sy ny fiandohany. Araka izy ireo, raha azon’ny olom-belona ny fototry ny fisiany dia azo atao ny miara-midinidinika ny amin’ny antom-pisian’ny olom-belona. Amin’ny fijery mahaolom-belona dia manontany hoe “Inona ny anton’ny fiainako” noho izany dia afaka mikaroka ny fifaliany avy ny tsirairay.