Alisay

Avy amin'i Wikipedia

Ny Alisay, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahafito, izay mipetraka ao amin' ny fàfana farany ambony, ka anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Alisay, izay iantsoana ny vady na ny vehivavy sakaiza

Fanasokajiana[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain' ny mpisikidy efa za-draharaha fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (nyTale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny vanian' ireo tsanganan-tsikidy ireo.

Fomba atao hahazoana ny Alisay[hanova | hanova ny fango]

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Alisay, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany " na "vaniany" ary "tongony". Aorian' ny fahazoana ny Abily no ahazoana ny Alisay: tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy izay efa misy rahateo, ka ny vanian' ny Tale no lohany, ny vanian' ny Maly no tratrany, ny vanian' ny Fahatelo no vaniany ary ny vanian' ny Bilady no tongony.

Fampifanampiana ny soratry ny Alisay[hanova | hanova ny fango]

Ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny an' ny Fahavalo no hahazoana ny soratry ny Fahasivy (tsanganana faha-9) izay anisan' ireo atao hoe tera-tsikidy.

Hevitry ny hoe Alisay[hanova | hanova ny fango]

Ny Alisay dia anarana iantsoana ny vady na ny vehivavy tiana na ny vehivavy sakaiza, ao amin' ny sikidy malagasy. Ny fanakarana ny hevitry ny sora-tsikidy miseho ao amin' ny Alisay no manambara ny mombamomba ireo antsoina hoe "vady" na "vehivavy tiana" sns ireo. Ny Abily dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tahirin-kevitra azo anovozana[hanova | hanova ny fango]

Boky[hanova | hanova ny fango]

  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]