Sora-tsikidy

Avy amin'i Wikipedia
Sora-tsikidy 16

Ny sora-tsikidy, ao amin' ny fisikidiana, dia ny endrika alain' ny tsanganan-tsikidy na andalan-tsikidy arakaraka ny filaharana sy ny isan' ny voan-tsikidy mamorona azy. Samy manana ny anarany ny sora-tsikidy tsirairay araka ny isa sy ny fipetraky ny voa ao aminy. Izany dia tsy miankina amin' ny toerana misy ilay tsanganana na andalana ao amin' ny fàfana.

Marika voalohany ampiasaina amin' ny fisikidiana, izay fanao efa tamin' ny Andro Taloha, ny sora-tsikidy 16. Misy andalana efatra maneho ny singa klasika ny sora-tsikidy tsirairay ary azo adika amin' ny fomba sy fanontaniana samihafa. Avy any Atsinanana Afovoany ny sikidy izay nampidirina tany Eorôpa tamin' ny Andro Antenatenany, izay nahazoany heviny ara-panandroana sy fandikana vaovao isan-karazany. Misy fitoviana ivelany amin' ny ba gua, izay lahatelo miisa valo ao amin' ny I Ching (lahatsoratra klasika sinoa), ireo sora-tsikidy ireo.

Manana anaran-toetra sy dikany miavaka ny sora-tsikidy tsirairay. Ny sora-tsikidy dia sokajina araka ny toetra ananany toy ny fahamarinan-toerana na ny fihetsiketsehana, ny tsy fitanilana na ny fiangarana, ary ny fidira na ny fivoahana. Manome fahasamihafana kely amin' ny fadikana ireo fanasokajiana ireo. Mifandray amin' ny "singa efatra" sy ny famantaran' ny zôdiaka, ny planeta ary ny fizaràn' ny vatana ireo sora-tsikidy ireo. Azo ampiarahina arakaraka ny toetrany izy ireo. Ny fifandraisana ara-panandroana misy eo amin' ireo sora-tsikidy ireo, izay nampidirina tao Eorôpa, dia vao mainka nampitombo ny heviny sy ny fifandraisan' izy samy izy.

Ny sora-tsikidy 16[hanova | hanova ny fango]

Ny sora-tsikidy tsirairay dia misy andalana efatra, ny andalana tsirairay dia misy teboka iray na roa.

Via na Lalana[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe "Via" dia teny latina ilazana ny lalana. Ity sora-tsikidy ity dia mitovy endrika amin' ny lalana. Heverina ho ratsy amin' ny ankamaroan' ny tranga izy, saingy tsara ho an' ny resaka momba ny lalana sy ny dia na fandehanana lavitra. Amin' ny fanandroana dia misy ifandraisany amin' ny Foza (na Asorotany) sy ny Volana mihilana izy, ary ny singa anatiny sy ivelany dia ny rano. Ny singa rehetra ao amin' ny Via dia mavitrika ka noho izany dia manondro fiovana be mihoatra ny sora-tsikidy hafa rehetra ity sora-tsikidy ity. Raha momba ny vokatry ny toe-javatra sikidina kosa dia tsy miandany izy, raha tsy hoe ny toetrany miova hoazy izay mety miteraka vokatra tsara na ratsy. Ity sora-tsikidy ity dia mamadika ny sora-tsikidy rehetra rehefa ampivadina aminy, ka manome azy io dikany hafa amin' ny fiovana. Ny mpanapaka ara-planetany dia i Kasmôday (Khashmodai na Asmodeus), ny faharanitan-tsainy dia ny Faharanitan-tsain' ny faharanitan-tsaina Malkah beTarshishim ve-ad Ruakhoth Shekhalim, ary ny fanahiny dia ny Fanahin' ny fanahy Shad Barshemoth ha-Shartathan. Mifandray amin' ny andriamanitra Diana (Diana) sy Merkiora (Mercurius) ary ny anjely Gabriela (Gabriel) sy Moriela (Muriel) izy. Mifandray amin' ny vavony izy. Io no atao hoe "Tareky" na "Taraiky" amin' ny sikidy malagasy.

Cauda Draconis na Rambon' ny Dragona[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe "Cauda Draconis" dia teny latina midika hoe "Rambon' ny Dragona" sady endriky ny "vona atsimon' ny Volana". Heverina ho tena ratsy izany amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra, ka amin' ny fanao tamin' ny Andro Taloha, raha io no sora-tsikidy voalohany azo, dia nijanona ny famakiana ny sikidy. Tsara ihany izy amin' ny toe-javatra misy ny famaranana na famitana zavatra, toy ny fandravana fifandraisana. Mitondra ny tsara miaraka amin' ny ratsy, sy ny ratsy miaraka amin' ny soa izy. Mifandray amin' ny planeta mandoza Satiorna sy Marsa izy ary ny famantarana ara-panandroany dia ny Virijiny (na Asombola). Ny singa anatiny sy ivelany dia ny afo. Ny faharanitan-tsaina ara-planeta dia i Agiela (Agiel) sy i Grafiela (Graphiel) ary ny fanahiny dia i Zazela (Zazel) sy i Bartsabela (Bartzabel); mifandray amin' ny andriamanitra Marsa (Mavors) sy Satiorna (Saeturnus) ary Atena (Athena) izy, sy amin' ny anjely Kasiela (Kasiel) sy Samaela (Samael) ary Malkidaela (Malkhidael) izy. Mifandray amin' ny sandry havia izy. Io no atao hoe "Karija" amin' ny sikidy malagasy.

Puer na Zazalahy[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe "Puer" dia teny latina midika hoe "Zazalahy". Ity sora-tsikidy dia sarin-tsabatra na filahiana mitsangana ary manondro ny herin' ny lehilahy, indrindra ny herisetra sy ny firehetam-po, nefa koa ny ady sy ny fiainana ara-piraisana ara-nofon' ny lahy. Ratsy izy amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra, fa tsara kosa amin' ny toe-javatra ananan' ny ankizilahy talenta (tao amin' ny fiarahamonin' ny Andro Taloha sy Andro Antenatenany): fitiavana sy ady. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Ondrilahy (na Alahamady) sy i Marsa izy. Ny singa rehetra dia mavitrika afa-tsy ny rano, izay singa mifandray amin' ny fihetseham-po; ny rivotra no singa anatiny, fa noho ny fitondran' i Marsa azy dia ny afo no singa ivelany. Ny faharanitan-tsaina ara-planeta dia i Grafiela ary ny fanahiny dia i Bartsabela; mifandray amin’ ny andriamanitra Mavors sy Athena ary ny anjely Samaela sy Malkidaela izy. Mifandray amin' ny loha izy. Io no atao hoe "Betsivongo" na "Alikasajy" amin' ny sikidy malagasy.

Fortuna minora na Vintana kely[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe "fortuna minora" dia teny latina midika hoe "vintana kely". Ity sora-tsikidy ity dia maneho ny fahombiazana midina tahaka ny tara-pahazavana avy amin' ny Masoandro. Amin' ny fanandroana dia misy ifandraisany amin' ny Liona (na Alahasaty) sy ny Masoandro amin' ny fihilanany mianatsimo; afo avokoa ny "mpanapaka" anatiny sy ivelany. Ity sora-tsikidy ity dia manondro vokatra tsara nefa malemy amin' ny ankamaroan' ny fanontaniana, maneho fahombiazana mandalo izay miankina amin' ny fanampiana avy any ivelany. Ity sora-tsikidy ity dia manampy ny toe-javatra azo vahana haingana ary tsy mila tohanana, Sora-tsikidin' ny fiovana sy ny tsy fahamarinan-toerana koa izy. Ny faharanitan-tsainy ara-planeta dia i Nakiela (Nakhiel) ary ny fanahiny dia i Sorath; mifandray amin' ny andriamanitra Apôlôna (Apollôn) sy Jopitera (Jupiter), ary ny anjely Mikaela (Mikhael) sy Verkiela (Verkhiel) izy. Mifandray koa amin' ny hazondamosina izy. Io no atao hoe "Alahasady" na "Alahasaty" amin' ny sikidy malagasy.

Puella na Zazavavy[hanova | hanova ny fango]

Teny latina midika hoe "zazavavy" ny hoe Puella ity sora-tsikidy ity, izay mitovy endrika amin' ny fivaviana na amin' ny vehivavy be nono. Tsara izy io ho an' ny ankamaroan' ny toe-javatra, indrindra ho an' ny vehivavy, ny hatsaran-tarehy, na ho an' ny toe-javatra momba ny vehivavy. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Mizana (na Adimizana) sy amin' ny planeta Venosy izy; ny singa ivelany dia ny rivotra, fa ny anatiny dia ny rano. Maneho ny fahalemana sy ny fitomoe-poana izy, izay mety ho tsara na ratsy arakaraka ny fanontaniana valiana, na dia tsara amin' ny ankapobeny aza izy dia mitaky ny fihetsehan' ny tena fa izy tsy hanetsika ny toe-java-misy. Izy no mariky ny fiainana ara-nofon' ny vehivavy, mifandanja amin' ny herin' ny Puer (na Zazalahy). Ny faharanitan-tsainy ara-planeta dia i Hagiela (Hagiel) ary i Kedemela (Kedemel) no fanahiny; mifandray amin' ny andriamanitra Venosy (Venus) sy Volkano (Vulcanus) ary ny anjely Anaela (Anael) sy Zoriela (Zuriel) izy. Mifandray amin' ny voa, ny tapany ambany amin' ny lamosina, ny vody ary ny hoditra izy. Io no atao hoe "Alakarabo " amin' ny sikidy malagasy.

Amissio na Fahaverezana[hanova | hanova ny fango]

Ny teny latina hoe "Amissio"dia midika hoe "Fahaverezana". Ny sary dia mitovy amin' ny vilia baolina na kaopy roa mifampiditra mihohoka. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Ombilahy (na Adaoro) sy amin' ny planeta Venosy manao dia mihemotra izy. Ny singa anatiny dia ny afo nefa ny mifehy azy ao ivelany dia ny tany. Amin' ny ankapobeny, ity sora-tsikidy ity dia ratsy ho an' ny fafana rehetra afa-tsy ireo mahakasika ny fitiavana (amin' ny maha sora-tsikidin' i Venosy azy) na amin' ny teo-javatra aniriana fahaverezana sady midika fahaverezana. Matetika izy dia maneho zavatra tsy takatry ny saina. Ny faharanitan-tsaina ara-planeta dia i Hagiela (Hagiel) ary i Kedemela (Kedemel) no fanahiny; mifandray amin' ny andriamanibavy Venosy sy ny anjely Anaela (Anael) sy Asmôdela (Asmodel) izy. Mifandray amin' ny vozona sy ny tenda izy. Io no atao hoe "Adalo" amin' ny sikidy malagasy.

Carcer na Fonja[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe Carcer, izay teny latina midika hoe "Fonja", dia sora-tsikidy miendrika sarin' ny fefy, na mason-drojo, na efitra figadrana. Matetika izy io dia ratsy amin' ny toe-javatra rehetra ary manondro fahatarana, na fihemorana, na fatorana. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Tandrok' Osy (Capricornus na Adijady) sy amin' ny planeta Satiorna (Saturnus) mihemotra fandeha izy; ny singa anatiny sy ivelany dia ny tany. Manondro ny tsy fihetsehana sy ny hery koa izy. Arakaraka ny fanontaniana dia mety manondro famerana na loharanom-piniavana izy. Amin' ny ankapobeny dia tsy mahasoa izy, saingy mety ho tsara amin' ny fanontaniana mikasika ny fitoniana na ny filaminana. Ny faharanitan-tsainy ara-planeta dia i Agiela (Agiel) ary ny fanahiny dia i Zazela (Zazel); mifandray amin' ny andriamanitra Satiorna (Sāturnus) sy i Vesta (Vesta), ary ny anjely Kasiela (Kasiel) sy i Hanaela (Hanael) izy. Mifandray amin' ny lohalika sy ny rafi-taolan' ny vatana izy. Io no atao hoe "Alokola" amin' ny sikidy malagasy.

Laetitia na Fifaliana[hanova | hanova ny fango]

Ny Laetitia, izay teny latina midika hoe "Fifaliana", izay manana endrika toy ny andohalambo, loharano, na avana, dia sora-tsikidy tsara amin' ny toe-javatra izay mahakasika ny fifaliana sy ny fahasambarana. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Hazandrano (na Alohotsy) sy amin' ny planeta Jopitera miverin-dalana izy. Ety ivelany izy dia fehezin' ny rano, fa ao anatiny kosa dia fehezin' ny afo. Sora-tsikidy tsara ho an' ny ankamaroan' ny fanontaniana izy, maneho toe-javatra sy ny fanorenana haingana. Maneho hetsika miakatra, na fahasambarana, na fifaliana izany. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Jôfiela (Iophiel) ary ny fanahiny dia i Hismaela (Hismael); mifandray amin' ny andriamanitra Jopitera (Jupiter) sy i Neptiona (Neptunus) izy, ary ny anjely Sakiela (Sakhiel) sy Barkiela (Barkiel) izy. Mifandray amin' ny tongotra ity sora-tsikidy ity. Io no atao hoe "Alahizana" amin' ny sikidy malagasy.

Caput Draconis na Lohan' ny Dragona[hanova | hanova ny fango]

Ny Caput Draconis, izay teny latina miodika hoe "Lohan' ny Dragona" dia sora-tsikidy mitovy amin' ny eva ara-panandroan' ny vona avaratra amin' ny Volana. Sora-tsikidy tsy miandany izy (tsara raha miaraka amin' ny tsara, ratsy raha miaraka amin' ny ratsy) nefa tsara ho an' ny fanombohana zava-baovao. Tsara ho an' ny fanombohana sy fahazoana ny tombony izy, ary raha tsy izany dia tsara traha miaraka amin' ny sora-tsikidy tsara hafa, ary tsy manambina raha miaraka amin' ny sora-tsikidy tsy manambina. Mifandray amin' ny planeta mahasoa Jopitera sy Venosy izy, ary omena ny evan' ny zôdiaka Sagittarius; afo ny singa ivelany ao aminy noho ny fifandraisany amin' ny Mpitifitra Tsipìka (na Alakaosy), fa ny tany kosa no singa anatiny. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Jôfiela (Iophiel) sy i Hagiela (Hagiel), ary ny fanahiny dia i Hismaela (Hismael) sy i Kedemela (Kedemel); mifandray amin' ny andriamanitra Venosy, Jopitera, ary Volkano izy, ary mifandray koa amin' ny anjely Sakiela (Sakhiel) sy Anaela (Anael) ary Zoriela (Zuriel) izy. Mifandray amin' ny sandry havanana izy. Io no atao hoe "Alakaosy" amin' ny sikidy malagasy.

Ny Conjunctio na Fitohizana[hanova | hanova ny fango]

Ny Conjunctio, izay teny latina midika hoe "Fitohizana". Ity sora-tsikidy ity dia mitovitovy endrika amin' ny sampanan-dalana na fikambanan' ny sora-tsikidy roa. Tsy miandany izy (tsara raha miaraka amin' ny tsara, ratsy raha miaraka amin' ny ratsy), nefa tsara kosa amin' ny fampitohizana na famerenan-javatra indray, indrindra ny fanambadiana na ny fifandraisana. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Virjiny (na Asombola) sy amin' ny planeta Merkiora manao dia mihemotra izy. Maneho fitambaran-kery, na tsara na ratsy, izy. Amin' ny tenany ihany, tsy miandany izy io, ka lasa tsara na rstsy arakaraka ny sora-tsikidy manodidina azy. Ny singa ivelany ao aminy dia ny tany, fa ny ao anatiny kosa dia ny rivotra. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Tiriela (Tiriel) ary ny fanahiny dia i Taftartarata (Taphthartharath); mifandray amin' ny andriamanitra Merkiora (Mercurius) sy amin' i Keresy (Ceres), ary amin' ny anjely Rafaela (Raphael) sy Hamaliela (Hamaliel) izy. Mifandray amin' ny tsinay sy ny amin' ny taovam-pandevonan-kanina izy. Io no atao hoe "Alitsimay" amin' ny sikidy malagasy.

Acquisitio na Fahazoana[hanova | hanova ny fango]

Ny Acquisitio, izay teny latina midika hoe "Fahazoana", dia sora-tsikidy mitovy amin' ny vilia baolina roa na kaopy roa mitsangana. Tsara amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra izany, indrindra amin' ny fakana sy fahazoana zavatra. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Mpitifitra Tsipìka sy amin' ny planeta Jopitera izy, miaraka amin' ny singa ivelany fehezin' ny afo sy ny singa anatiny fehezin' ny rivotra. Ho an' ny ankamaroan' ny fafana dia sora-tsikidy tsara izy, afa-tsy raha misy fatiantoka na fahaverezana irina hitranga. Midika fahazoana tombony izy, na ara-bola, na ara-tsaina, na amin' ny endrika hafa, na zavatra eo am-pelatanan' ny tsirairay. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Jôfiela (Iophiel) ary ny fanahiny dia i Hismaela (Hismael); mifandray amin' ny andriamanitra Jopitera sy Diana izy, ary amin' ny anjely Sarakiela (Sakhiel) sy Adnakiela (Adnakhiel). Mifandray amin' ny andilana sy ny fe izy. Io no atao hoe "Mohadidy" na "Alohotsy" amin' ny sikidy malagasy.

Rubeus na Mena[hanova | hanova ny fango]

Ny Rubeus dia teny latina midika hoe "Mena". Ity sora-tsikidy ity dia mitovy amin' ny vera mivadika; fifoterana izany, izany hoe tsara ho an' ny ratsy rehetra ary ratsy ho an' ny tsara rehetra. Sahala amin' ny Coda Draconis (na Rambon' ny Dragona), ity sora-tsikidy ity dia heverina ho tsy dia tsara loatra ka raha izy no voalohany amin' ny famakiana sikidy dia faranana izany famakiana izany. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Maingoka (na Alakarabo) sy ny planeta Marsa miverin-dalana izany; ny singa anatiny dia fehezin' ny rivotra, ary ny singa anatiny dia fehezin' ny rano. Maneho firehetam-po sy fahadisoam-panantenana sy herisetra ary faharatsiana izany. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Grafiela (Graphiel) ary ny fanahiny dia i Bartsabela (Bartzabel); mifandray amin' ny andriamanitra Marsa, sy amin' ny anjely Samaela (Samael) sy Barbiela (Barbiel). Mifandray amin' ny fitaovam-pananahana sy ny fitaovam-panariana maloto izy. Io no atao hoe "Alaimora" amin' ny sikidy malagasy.

Fortuna Major na Vintana Lehibe[hanova | hanova ny fango]

Ny Fortune Major, izay teny latina midika hoe "Vintana Lehibe", dia sora-tsikidy mitovy amin' ny fitahiana mitombo avy amin' ny tany ary mamokatra eny amin' ny rivotra. Tsara amin' ny toe-javatra rehetra amin' ny tranga tsara indrindra izy ary maneho vintana tsara, indrindra amin' ny fiandohana. Amin' ny fanandroana dia misy ifandraisany amin' ny Liona (na Alahasaty), toa ny Fortuna Minor ( "Vintana Kely"), fa ny Masoandro amin' ny alalan' ny fihilanany avaratra. Ny singa anatiny dia ny tany ary ny singa ivelany dia afo. Manondro hery sy fahombiazana izy, ka noho izany dia tena mety amin' ny fifandonana sy ny fifandirana; sora-tsikidin' ny fitoniana sy ny fahombiazana maharitra izy befa koa midika fahasahiranana eo am-piandohan' ny ezaka. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Nakhiel (Nakhiel) sy i Sorata (Sorath) no fanahiny; mifandray amin' ny andriamanitra Apôlô sy i Jopitera izy, ary koa amin' ny anjely Mikaela (Mikhael) sy Verkiela (Verkhiel) izy. Mifandray amin' ny fo sy ny tratra izy. Io no atao hoe "Asorasady" na "Adabara" amin' ny sikidy malagasy.

Albus na Fotsy[hanova | hanova ny fango]

Ny Albus, izay teny latina midika hoe "Fotsy", dia sora-tsikidy mitovy endrika amin' ny vera mitsangana na amin' ny kapoaka. Tsara amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra izy, indrindra raha miaraka amin' ny sora-tsikidy tsara, nefa sora-tsikidy malemy izy. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Kambana (na Adizaoza) sy amin' ny planeta Merkiora izy; na dia ny rano aza ny singa anatiny dia ny rivotra no singa ivelany. Maneho fiadanana sy fahendrena ary fahadiovana izany. Mety ho an' ny fanombohana sy ny fahazoana tombony izany, na ho an' ny toe-javatra rehetra ilana drafitra be pitsiny sy voadinika tsara. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Tiriela (Tiriel) ary ny fanahiny dia i Taftartarata (Taphthartharath); mifandray amin' ny andriamanitra Merkiora (Mercurius) sy Apôlô (Apollo), ary amin' ny anjely Rafaela (Raphael) sy Ambriela (Ambriel). Mifandray amin' ny soroka sy ny avokavoka izy. Io no atao hoe "Alibiavo" amin' ny sikidy malagasy.

Tristitia na Alahelo[hanova | hanova ny fango]

Ny Tristitia, izay teny latina midika hoe "alahelo", dia sora-tsikidy mitovy endrika amin' ny andohalambo tapaka na tsato-kazo naorina amin' ny tany. Ratsy amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra izany ary midika alahelo na fisaonana. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Mpitondra Rano (na Adalo) sy amin' ny planeta Satiorna izy. Ny Tristitia dia sora-tsikidy tsy tsara amin' ny fanontaniana rehetra, matetika maneho ny fanaintainana sy ny fijaliana. Na izany aza, tsara izy amin' ny fanontaniana mifandraika amin' ny fahamarinan-toerana, amin' ny fanorenana, na amin' ny tany (toy ny fambolena). Ny singa ivelany dia ny rivotra ary ny singa anatiny dia ny tany. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Agiela (Agiel) ary ny fanahiny dia i Zazela (Zazel); mifandray amin' ny andriamanitra Satiorna sy amin' i Jonô, ary amin' ny anjely Kasiela (Kasiel) sy Gabriela (Gabriel) izy. Mifandray amin' ny kitrokely sy ny ambany amin' ny ranjo izy. Io no atao hoe "Alikisy" amin' ny sikidy malagasy.

Populus na Vahoaka[hanova | hanova ny fango]

Ny Populus, izay teny latina midika hoe "Vahoaka", dia sora-tsikidy mitovitovy amin' ny fijerin' ny vorona eny ambony ny vondron' olona ity sora-tsikidy ity, izay mety midika fa mifototra amin' ny olona voakasiky ilay toe-javatra, na maneho olona marobe na mitovy taona aminy. Amin' ny fanandroana dia misy ifandraisany amin' ny Foza sy ny Volana miposaka; ny singa anatiny sy ivelany dia ny rano. Enti-milaza fivondronana na fivorian' ny olona izy io ary tsy miandany, satria na dia mety hihetsika be aza ny olona ao anatin' ny vahoaka dia kely dia kely ny vokany eo amin' ny vahoaka iray manontolo. Tsara izy raha miaraka amin' ny sora-tsikidy tsara, ary ratsy kosa raha miaraka amin' ny sora-tsikidy ratsy. Ny mpanapaka ara-planetany dia i Kasmôday (Khashmodai), ny faharanitan-tsainy dia ny Faharanitan-tsain' ny faharanitan-tsaina Malkah beTarshishim ve-ad Ruakhoth Shekhalim, ary ny fanahiny dia ny Fanahin' ny fanahy Shad Barshemoth ha-Shartathan. Mifandray amin' ny andriamanitra Diana (Diana) sy Merkiora (Mercurius), sy amin' ny anjely Gabriela (Gabriel) sy Moriela (Muriel) izy. Mifandray amin' ny nono sy ny vatana izy. Io no atao hoe "Asombola" amin' ny sikidy malagasy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

  • Tamin' ny Andro Antenatenany sy tamin' ny Renaissance
    • Gerard of Cremona. On Astrological Geomancy.
    • Henry Cornelius Agrippa. Of Geomancy (English translation of the Fourth Book of Occult Philosophy).
    • Means, Laurel. "A translation of Martin of Spain's De Geomancia." In Popular and Practical Science of Medieval England, ed. Lister M. Matheson, 61–121. East Lansing: Colleagues Press, 1994.
    • Pietro d'Abano. Modo judicandi questiones (English translation as The Method of Judging Questions in Greer (1999), pp. 195–214)
  • Rohy ivelany