Sikidy

Avy amin'i Wikipedia
Sikidy Tool

Ny sikidy dia anisan' ny fanao enti-mamantatra ny saro-pantarina, indrindra ny hoavy, izay mifototra amin' ny famakafakana ny soratra (atao hoe sora-tsikidy) foronin' ny fitambaran' ny antoko (sary na zavatra azo tsapain-tanana toy ny voan-javatra na vatokely, sns) miisa efatra misy tebola tokana na roa avy (na teboka sy tsipika). Ny voan-javatra na vatokely na zavatra hafa dia atsipy miaraka eo amin' ny toerana iray. Misy koa ny manipy taikely, na manisa tsipika natao amin' ny hazo eo amin' ny fasika, na manisa tsipika natao amin' ny taratasy amin' ny alalan' ny penina na amin' ny fijerena ny singa voalamina ao amin' ny zavaboary tsy misy fandraisana anjaran' ny olombelona.

Ny faminaniana amin' ny alalan' ny sikidy dia mifototra amin' ny sora-tsikidy maromaro, izay misy andalan-teboka efatra, izay mety ho ankasa (mandeha tsiroaroa) na tsiankasa (mandeha tsirairay). Amin' ny alalan' ny fikambanan' ny sora-tsikidy tsotra samy hafa, ny fisarihana ny sora-tsikidy dia tanterahina mba hamoronana kisary natao hotakarin-kevitra. Ny dikan' ny kisarin-tsikidy, ny toerana misy azy ao amin' ny kisary lehibe azo sy ny fifandraisana ao anatin' ny antokon-kisary (fiverimberenana, fifanoherana, sns) dia anisan' ny zavatra dinihina rehefa atao ny fandikana.

Fantatra indrindra manerana an' i Afrika sy Eorôpa talohan' ny andro ankehitriny ny sikidy, saingy fanao voarara nandritra ny Renaissance tao Eorôpa. Misy fanavana sikidy afrikana maromaro, tena akaikin' ny fanaon' ny Arabo ny sasany, nefa koa misy fomba avy amin' ny fivavahana vôdo izay azo tamin' ny alalan' ny andriamanitra Fa (na Ifa), andriamanitry ny sikidy, araka ny fedrà. Amin' ity sikidy vôdo ity, ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo dia raisina tsiroaroa, ka manome fikambanana 256. Misy koa ny sikidy atao hoe i ching sy feng shui izay fahita any Sina, ny kumalak fahita any amin' ny faritr' i Azia Afovoany, ary ny vastu shastra fahita any India.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]