Wikipedia:Takelaka/6 2011

Avy amin'i Wikipedia

Ny "hova" dia teny mahalaza zavatra maro:

Voalohany, anaram-poko matanjaka sy nonina tany anivon'i Madagasikara ny hova (lazaina ankehitriny hoe merina na amboalambo na borizano). Porofon'izany, tamin'ny taonjato faha-18 sy faha-17 dia ANKOVA no anarana niantsoan'ny foko betsileo, sakalava, bezanozano ireo faritry ny foko HOVA fa tsy merina akory. Moa tsy AMPAMOIZANKOVA no anaran'ny sisintanin'ny HOVA sy ny SAKALAVA tamin'ny andron'dRanavalona I?

Faharoa, ny hova dia ilazana ireo " andriana" amin'ny foko betsileo, tanala, bara, sns...

Farany, amin'ny foko merina, ny hova dia ilazana ireo tsy andriana nefa tsy mpanompo.Vohitra koa no ilazana azy amin'ny foko Merina sy Betsileo. Ireo hova tranainy dia taranak'ireo vazimba voalohany nonina taty Imerina. Ifandovana ny maha-hova. Maro tsara tarehy ny hovavavy ka maro aminy no tonga vadin'andriana sy niteraka taminy. Misy koa anefa ireo mpanompo nohafahana ka tonga hova ary "hova vao" no fiantso azy. (tohiny...)