Wikipedia:Takelaka/10 2013

Avy amin'i Wikipedia

Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy) dia firenena ao amin'ny Ranomasimbe Indianina. Fitambarana nosy i Madagasikara raha amin'ny lafin'ny firenena no jerena. Madagasikara ihany koa no iantsoina ilay nosy malagasy lehibe miendrika tongotra havia. Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany ny nosy Madagasikara. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany). Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo (3) sy zava-maniry toy ny Baobaba izay ahitana sokajy mihotra ny enina (6).

I Madagasikara dia nipoitra tamin'nny fiparitahan'ny kaontinanta Gondwana tamin'ny taona tamin'ny taona -35 tapitrisa talohan'i Jesoa Kristy : voalohany i Madagasikara ary i India dia nisaraka tamin'i Afrika ary dimampolo tapitrisa taona taoriana, nisaraka tamin'i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin'izao fotoana izao. Noho izany dia tsy hita na aiza na aiza afatsy any Madagasikara valopolo isan-jaton'izay karazam-biby sy karazan-javatra misy any. Misy faritra ekolojika maromaro ao Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika noho ny asan'ny olombelon (tavy, fandringanana ny ala, fihazanana ny biby) ; ankehitriny dimy amin'ny sivipolo isan-jaton'ny ala taloha no voaringana. (tohiny...)