Valan-javaboarim-pirenena Namoroka
Ny Valan-javaboarim-pirenena Namoroka na fantatra koa amin' ny hoe Valan-javaboarin' ny Tsingin' i Namoroka, dia valan-javaboary malagasy ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny Distrikan' i Soalala, Faritanin' i Mahajanga. Manana velaran-tany mirefy 220,71 km2 ity valan-javaboary ity.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Ny taona 1927[1] no niorina ny Valan-javaboarim-pirenen' i Namoroka ary nanjary lasa tahirin-javaboary manokana (réserve spéciale) izy nanomboka tamin' ny taona 1966.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Sahabo ho 50 km atsimon' i Soalala, any amin' ny ilany avaratra-andrefan' i Madagasikara, no ahitana ny Valan-javaboarim-pirenen' i Namoroka. Maharitra fito volana ny vanim-potoana main-tany any, ary dimy volana kosa ny vanim-potoana fahavaratra. Ny refin-drotsak' orana dia eo amin' ny 115 sm isan-taona, ary ny maripana kosa dia manodidina ny 25 °C. Ny tsingy, ny zohy, ny lohasaha tery ary ny dobo voajanahary no tena mampalaza an' io valan-javaboary io.
Karazam-biby
[hanova | hanova ny fango]Toy ny ankamaroan' ny valan-javaboary eto Madagasikara, ny Valan-javaboarim-pirenena Namoroka dia fantatra amin' ny fisian' ny karazan-javamananaina sy ny habetsahan' izany ao aminy. Amin' ny karazam-borona 81 misy ao dia 31 no tsy fahita firy afa-tsy eto Madagasikara ary karazana hafa 23 no tsy fahita firy afa-tsy eto Madagasikara sy any amin' ny nosy manodidina azy.
Toerana ahitana karazana biby mandady na mikisaka telopolo, karazana sahona dimy, karazana biby mampinono enina ambin' ny folo ary karazana amboanala valo ihany koa ny Valan-javaboarim-pirenena Namoroka. I Namoroka manokana dia fonenan' ireto karazana amboanala ireto:
- Propithecus deckenii
- Eulemur rufus
- Hapalemur griseus
- Phaner furcifer
- Microcebus murinus
- Lepilemur edwardsi
- Cheirogaleus minusculus
- Haihay
Fanamarihana hafa
[hanova | hanova ny fango]Namoroka no anarana nosafidian' i Mozilla Firefox ho an' ny tao faha 3.6.[2] an' io rindrankajy io.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia
Rohy
[hanova | hanova ny fango]- ↑ The Tsingy de Namoroka National Park Sitesheet Archived Aprily 11, 2009 at the Wayback Machine. World Database on Protected Areas.
- ↑ "Firefox 3.6 Namoroka". Mozilla. April 3rd, 2009. Retrieved on 2009-04-04.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- World Database on Protected Areas entry Archived Aprily 11, 2009 at the Wayback Machine
- Wild Madagascar's entry on Namoroka
I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Namoroka National Park |