Uniqlo

Avy amin'i Wikipedia
Uniqlo Co., Ltd.
Velarantany NC
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Tadashi Yanai
Firenena Japana
Faritany Yamaguchi
Faritra NC
Fivarotana Uniqlo any Osaka

Uniqlo Co., Ltd. (Japoney: 株式会社ユニクロ Kabushiki-gaisha Yunikuro) dia orinasa japoney mamolavola, manamboatra ary mivarotra akanjo mahazatra. Tany Japon no niorina tany am-boalohany, niitatra tany ivelan'i Japana ny orinasa tamin'ny taonjato faha-21 ary lasa marika akanjo lehibe, azo oharina amin'ny orinasa toa ny H&M. Tamin'ny 2024, Uniqlo dia nanana fivarotana maherin'ny 2,400 manerantany.[1]

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Uniqlo dia naorina tamin'ny 1949 tao Ube (Yamaguchi) ho anisan'ny vondrona orinasa Fast Retailing.[2]

Tamin'ny taona 1984, nisokatra tao Hiroshima ny fivarotana akanjo tsy miandany amin'ny lahy sy ny vavy antsoina hoe “Unique Clothing Warehouse” na “Uniqlo” raha fintinina.

Nanokatra ny fivarotana voalohany tany ivelan'i Japana tany Londres ny Uniqlo tamin'ny 2001 ary ny fivarotana voalohany tany Shanghai tamin'ny 2002. Tamin'ny 2005, nisokatra tany New York ny Uniqlo Amerikana voalohany.[3]

Uniqlo amin'izao fotoana izao dia mampiasa olona 30.000 mahery ary miasa any amin'ny firenena 25 mahery. Misy fivarotana Uniqlo 800 mahery any Japana (100 mahery any Tokyo fotsiny) ary mihoatra ny 1600 any ivelan'i Japana.[4]

[hanova | hanova ny fango]

Reference[hanova | hanova ny fango]

  1. "Group Outlets". fastretailing.com (in Anglisy). Retrieved 2023-10-19.
  2. "1949-2003 | FAST RETAILING CO., LTD". fastretailing.com (in Anglisy). Retrieved 2023-10-23.
  3. "Annual Report 2005" (PDF). fastretailing.com (in Anglisy). Retrieved 2005-08-31.
  4. "UNIQLO Business". fastretailing.com (in Anglisy). Retrieved 2023-11-02.