Union française

Avy amin'i Wikipedia
Sainam-pirenena frantsay

Ny Union française dia fikambanana niorina tamin' ny taona 1946, izay nampivondrona an' i Frantsa sy ny firenena zanataniny. Ny fihaonambe tao Brazzaville (Conférence de Brazzaville), izay nanomboka tamin' ny 30 Janoary sy niafara tamin' ny 8 Febroary 1944, no niandohan' ny Union française. Niezaka mitady endrika fandaminana vaovao i Frantsa, fandaminana izay tsy manery ny zanatany tsy maintsy hanompo ny tombontsoan' i Frantsa. Ny mponin' ny firenana rehetra ao amin' ilay fikambanana dia nahazo ny satan' ny olom-pirenena frantsay azy; na izany aza dia nisy ny fanavahana ny Frantsay any Frantsa sy ny mponina hafa.

Ny firenena sy tany mpikambana tao amin' ny Union française

Niankina amin' ny toe-javatra niainan' ny firenena tsirairay manoloana an' i Frantsa ny fidirany ao amin' ny Union frnçaise. Ny zanatany sasany toa an' i Martinique, i Guadeloupe, i Guyana ary i La Réunion, dia nahazo ny satan' ny Departemanta ampitan-dranomasina (Départements d’outre-mer -- DOM), izay nampiharana ny lalàna izay nihatra koa tao Frantsa, indraindray ampifanarahina amin' ny zava-misy eo an-toerana; ny hafa, toa an' i Wallis et Futuna, i Saint-Pierre-et-Miquelon, i Mayotte, i Polynesie française, i Nouvelle-Calédonie ary ny Tany Atsimo sy ao Antarktika, dia lasa Tanim-pirenena ampitan-dranomasina (Territoires d'outre-mer  -- TOM) sady nanana fizakan-tena bebe kokoa. Nahazo sata manokana i Aljeria. I Tôgô sy i Kamerona dia  niala avy amin' ny maha firenena misy mpiahy azy nankamin' ny satan' ny tany mpiara-miombona. Ny prôtektôrata taloha, toa an' i Marôka, i Tonizia, i Kambôdia, i Laôsy ary i Vietnamy, dia nahazo fahafahana ho lasa fanjakana mpikambana.

Ny Union française dia notarihin' ny filohan' ny Repoblika. Nisy ny Fivoriambe, izay nahitana solontena avy amin' i Frantsa sy avy amin' ny firenena ampitan-dranomasina, ary nisy Filankevitra ambony (Haut conseil) nanohana ny Union française amin' ny alalan' ny hetsika ataony. Ny fiafaran' ny ady tany Indôsina (21 Jolay 1954) sy ny fiandohan' ny ady ho an' ny fahaleovan-tena tao Aljeria (1 Nôvambra 1954) dia nampalemy ilay fikambanana, izay niseho tamin' ny endrika vaovao, efa-taona taty aoriana, raha natsangana tamin' ny taona 1958, tamin' ny alalan' ny Lalàmpanorenan' ny Repoblika fahadimy frantsay, ny Communauté française.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]