The Beatles
Avy amin'i Wikipedia
The Beatles dia tarika rock anglisy iray izay voaforona tany Liverpool, Angletera. Ireo olona ao amin'io tarika io dia i John Lennon, Paul McCartney, George Harrison ar Ringo Starr. Na dia nisaraka tamin'ny 1970 aza izy io, mbola anisan'ny tarika rock malaza indrindra eto an-tany ny The Beatles. Tanatin'ny valo taona nisian'ilay tarika dia hira roanjato no naoriny anaty album miisa roa ambin'ny folo.
Ny Beatles ihany koa no mpanakanto nahalafo kapila be dia be indrindra eto Tany[1]. Araka ny fanakekezan'i EMI[2], eo amin'ny iray tapitrisa eo ho eo no isan'ny kapila lafon'ny Beatles tamin'ny 1980. Ankehitriny efa roa miliara io isa io[3].