Tangoron-tendrombohitra Ivakoany

Avy amin'i Wikipedia

Ny Tangoron-tendrombohitra Ivakoany dia tangoron-tendrombohitra any atsimo-atsinanana amin' i Madagasikara, 600 km miala an' Antananarivo, eo anelanelan' ny faritra Ihorombe, sy  Anôsy ary Atsimo-Atsinanana. Ny tampony, izay mitovy anarana aminy dia mahatratra 1 637 m, hita any amin' ny 44 km avaratra-atsinanan' i Tsivory sy 72 km any atsimo-atsinanan' i Betroka.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Vohontany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ireo tendrombohitra mamorona azy dia ahitana an' Ivakoany sy Analamahavelo, ity farany mahatratra 1 496 m.

Toetrandro[hanova | hanova ny fango]

19 °C ny sala-maripana manodidina ny Tangorombohitr' Ivakoany. 24 °C ny ambony indrindra (Nôvambra) ary 14 °C ny ambany indrindra (Jona).

Ny salan' ny rotsakorana isan-taona dia 1 405 mm. Ny volana Desambra no manorana indrindra (278 mm), ary ny volana Jona no maina indrindra  (13 mm).