Stridôna

Avy amin'i Wikipedia

I Stridôna dia tanàna tamin' ny Andro Taloha teo amin' ny sisin' ny Faritany rôman' i Dalmatia sy Panônia", nefa tsy fantatra sady iadian-kevitra ny tena toerana nisy azy. Noravan' ny Gôty tamin' ny ampahefatra faran' ny taonjato faha-4 izy, ny anarany dia fantatra aty aoriana noho ny maha toerana nahaterahan' ny fianakavian' i Hierônimôsy na Jerôma izay teraka tao tamin' ny taona 347 tany ho any ary nandany ny fahazazany tao. Amin' ny teny latina izy dia atapo hoe Strido Dalmatiae ("Stridônan' i Dalmatia").