Simôna avy any Kirena

Avy amin'i Wikipedia

I Simôna avy any Kirena na Simôna Kireniana dia olona resahina ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Testamenta Vaovao izay, araka ny Filazantsara sinôptika, dia nasain' ny miaramila rômana hanampy an' i Jesoa na Jesosy nandritra ny fotoana fohy teny an-dalana ho any Kalvary, izay nanomboana azy amin' ny hazo fijaliana. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Σιμών ὁ Κυρηναῖος / Simṓn ho Kurēnaîos na Σίμων Κυρηναῖος / Simōn Kyrēnaios. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe שמעון‎ / Šimʿon na Šimʿôn. Tsy resahina na aiza na aiza amin' ny toeran-kafa ao amin' ny Soratra Masina izy.