Seha-pihariana

Avy amin'i Wikipedia

Ny seha-pihariana na sehatr' asa fihariana na sehatra ara-toekarena dia vondon' asa fihariana manana toetra itoviany. Nanomboka tamin' ny asasoratra nataon’ ilay Aostraliana atao hoe Colin Clark tamin' ny taona 1940 dia nizara ho sehatra telo lehibe antsoina hoe sehatra voalohany sy sehatra faharoa ary sehatra fahatelo ny asa ara-toekarena.

Sehatra telo[hanova | hanova ny fango]

Sehatra voalohany[hanova | hanova ny fango]

Ny sehatra voalohany dia ahitana ny asa famokarana akora fototra . Ny  sehatra voalohany dia mahakasika ny fanangonana sy fitrandrahana ny harena voajanahary (fitaovana, angovo, fambolena, fitrandrahana harena an-kibon' ny tany, ary sakafo sasany).

Sehatra faharoa[hanova | hanova ny fango]

Ny sehatra faharoa dia ahitana ny taozavabaventy fanodinana akora (famokarana angovo, fanamboarana trano, asa vaventy, fanodinana ny vokatry ny tany ho sakafo, famokarana entana ho an' ny mpanjifa ary famokarana entana ho an' ny mpamokatra).

Sehatra fahatelo[hanova | hanova ny fango]

Farany, ny sehatra fahatelo dia ahitana ny indostrian' ny serivisy (indrndra tsy azo tsapain-tananana: torohevitra, fiantohana, fanelanelanana, fanofanana, fianarana sy fikarohana, fitantanan-draharaha, fiarovana, fanadiovana, sns.). Ny sehatra fahatelo dia tsy voafaritra mazava tsara, ao anatin' izany ny asa rehetra tsy ao amin' ny sehatra roa voalohany ary azo ampifandraisina amin' ny asa manome entana tsy azo tsapain-tanana ho an' ny tsirairay na ho an’ ny fiarahamonina na ho an’ ny orinasa izany. Ny sehatra fahatelo dia ahitana ny serivisy azo amidy na tsia, anisan' izany ny varotra (ambongadiny sy antsinjarany), varotra fiara sy fanamboarana ny simba, ny fanofana trano, ny paositra sy fifandraisan-davitra, ny fiantohana, ny fizahan-tany, ny tolotra ara-pahasalamana, ary farany ny tolotra omen' ny fitantanana.

Olana sy fanasokajiana hafa[hanova | hanova ny fango]

Olana momba ny fanasokajiana ho telo ny asa ara-toekarena[hanova | hanova ny fango]

Ny fizaràna ho sehatra ara-toekarena dia ahafahana mandalina ny fivoaran' ny asa ara-toekarena manaraka fotoana, nefa mijanona ho zavatra ifanarahana fotsiny izany. Matetika tsy mazava ny efitra manasaraka ireo sehatra ireo. Tena sarotra, ohatra, ny hamaritana raha tena tafiditra ao anatin' ny sehatra fahatelo ny servisy ao anatin' ny fandaminana anatiny ao amn' ny taozava-baventy (ohatra ny fampiasana solosaina na ny asa fitantanana), na (mifanohitra amin' izany) raha ny fampiasana betsaka ny vokatra ara-taozava-baventy amin' ny serivisy (fitaterana, fifandraisan-davitra) tsy manova ny famaritana ny sehatra faharoa.

Tolo-kevitra hafa[hanova | hanova ny fango]

Indraindray dia resahina ny momba ny sehatra fahefatra izay mampivondrona ny indostrian' ny teknôlôjia avo lenta (teknôlôjian' ny solosaina, ny famokarana zanabolana, ny biôindostria, sns.) ary serivisy tena saro-pady (fikarohana sy fanabeazana avo lenta, tolo-tsaina stratejika, injenieria ara-bola, fikarohana amin' ny fitsaboana avo lenta, sns.) amin' ny ankapobeny any amin' ny firenena mandroso indrindra (Etazonia, Vondrona Eorôpeana, Japàna, sns.).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]