Sôsiôlôjia

Avy amin'i Wikipedia

Ny sôsiôlôjia dia taranja ara-tsiansa mikaroka fanazavana sy fahatakarana momba ny tranga hita maso eo amin' ny fiarahamonina, mandalina ny fifandraisana ara-piarahamonina izay mamokatra ny maha izy-azy ny olona, ny andrim-piarahamonina, ny rafi-pandaminana, ny kolontsaina, ny sarangam-piarahamonina, ny fitsipiky ny fiarahamonina, ny ady sy ny fifandirana, ary koa ny fanaon' ny vondrona ara-piarahamonina rehetra tsy azo hazavaina amin' ny alalan' ny fandinihana ny saina na ny maha zavamananaina ny mpikambana ao aminy.