Richard Wagner

Avy amin'i Wikipedia
Richard Wagner
Ankapobeny
Anarana Richard Wagner
Teraka 22 Mey 1813
Maty 13 Febroary 1883
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena  Alemaina
Asa :
Fiainana manokana

I Richard Wagner na Wilhelm Richard Wagner dia mpamoron-kira, talen-teatra, mpanoratra boky, ary lehibena ôrkestra alemàna tamin' ny vanimpotoana rômantika, izay fantatra indrindra noho ny ôpera efatra ambin' ny folo nataony. Nanoratra boky filôzôfia sy rijan-kevitra manodidina ny roapolo koa izy. Teraka tamin' ny 22 Mey 1813 tao Leipzig ary maty tamin' ny 13 Febroary 1883 tao Venise izy.

Izy mihitsy no namorona ny mozika sy bokikely mirakitra ny ôperàny, anisan' izany ny Tristan und Isolde (izay heverina ho fiandohan' ny fandrosoana lehibe teo amin' ny mozika tamin' ny taonjato faha-20) sy ny Der Ring des Nibelungen ("Ny Peratry ny Nibelung"), izay fetibe an-tsehatra misy fizaràna efatra: Das Rheingold ("Ny Volamenan' i Rhine"), Die Walküre ("Ny Valkiria")[1], Siegfried[2] ary Götterdämmerung ("Ny Mangirandratsin' ny andriamanitra"). Ny fandrafetana azy ireo dia nanozongozona ny fahazarana tamin' izany ny fotoana izany, mba hifindrana mankany amin' ny "zavakanto manontolo", ny sanganasa manontolo, araka ny filazan' i Wagner, izany hoe seho feno (itambaran' ny dihy, teatra, tononkalo ary zavakanto hita maso) ravahan' ny feon-kira mitohy aharenesana fehezam-peo miverimberina (leitmotiv).

Ny fiainan' i Wagner, izay mpandehandeha sy tsy ampy fivelomana sady mahatsikaiky, dia nahatonga azy hiseho amin' ny endrika maro: revôlisiônera tsy misy vola, mpandositra nokarohin' ny pôlisy, lehilahy mpakafy vehivavy, mpiara-miasa akaiky amin' ny mpanjaka Ludwig II any Bavaria, mpitsikera sy mpandalina mozika, manam-pahaizana voavolavola tao amin' ny antisemitisma tamin' ny androny ka nampiasain' ny Nazi, taorian' ny nahafatesany sy tamin' ny toe-javatra hafa tanteraka; vitsy ny olona tsy ho taitra rehefa mahalala ny fitondran-tenany sy ny sanganasany. Noho izy nanan-talenta amin' ny fananganana finamanana tao amin' ny faribolana ara-javakanto sy ara-tsaina sy amin' ny fanovana azy ireo ho fifandrafiana, amin' ny fahaizany ny fomba hamoronana fanafintohinana sy hafanam-po, dia nisaraka ny hevitra izay matetika mirehitra teo amin' ny mpiara-belona taminy izy. Nisy fiantraikany lehibe teo amin' ny fivoaran' ny mozika teo antenatenan' ny androm-piainany ny fiheverana ara-javakanto nananany izay nikaloha lalana fiovana. I Richard Wagner dia heverina ho anisan' ny mpamoron-kira lehibe indrindra tamin' ny taonjato faha-19 ary mitana toerana lehibe eo amin' ny tantaran' ny mozika tandrefana.

Fetiben'ny Richard Wagner[hanova | hanova ny fango]

I Fetiben'ny Bayreuth na Fetiben'ny Richard Wagner a Fetin'ny teatra mozika (Jolay/Aogositra).

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Ny vadiny dia i Cosima Wagner, i Minna Planer. Ny zanany dia i Siegfried Wagner sy i Isolde Wagner ary i Eva von Bülow.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Ny valkiria dia andriamanitra madinika manompo ny andriamanitra Ôdîna, ao amin' ny fedrà jermanika.
  2. I Siegfried dia ilay zazalahy te hahafantatra ny atao hoe tahotra, ao amin' ny fedrà jermanika.